Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Zakaria 8:4 - DIEM PROTESTANTA

Eny, hoy Izaho TOMPOn’izao rehetra izao, mbola hisy lehilahy sy vehivavy antitra hipetrapetraka eny an-kianjan’i Jerosalema; ka isan’olona ireo, noho ny fahanterany, dia samy hitondra tehina an-tanana.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Izao no lazain’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao: Mbola hisy lahiantitra sy vaviantitra hipetraka eny amin’ny kianja malalaka ao Jerosalema, samy hanana tehina eny an-tanany noho ny fahanterany;

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Eny, hoy Izaho TOMPOn’izao rehetra izao, mbola hisy lehilahy sy vehivavy antitra hipetrapetraka eny an-kianjan’i Jerosalema; ka isan’olona ireo, noho ny fahanterany, dia samy hitondra tehina an-tanana.

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

Izao no lazain’i Iavehn’ny tafika: «Mbola hisy anti-dahy sy anti-bavy indray, hipetraka eny amin’ny kianja any Jerosalema, samy hitana tehina avy noho ny andro niainany efa maro.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Izao no lazain’i Jehovah, Tompon’ny maro: Mbola hisy lahy antitra sy vavy antitra hipetraka eny an-dàlamben’i Jerosalema, samy hitehina amin’ny tehina eny an-tànany isan-olona noho ny fahanterany;

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro: Mbola hisy lahy antitra sy vavy antitra hipetraka eny an-dalamben'i Jerosalema, samy hitehina amin'ny tehina eny an-tànany isan-olona noho ny fahanterany;

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Izao no lazain’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao: Mbola hisy lahiantitra sy vaviantitra hipetraka eny amin’ny kianja malalaka ao Jerosalema, samy hanana tehina eny an-tanany noho ny fahanterany;

Jereo ny toko



Zakaria 8:4
12 Rohy Ifampitohizana  

Dia maty i Jôba rehefa ela niainana ka tratrantitra.


Ho tratra antitra nefa havitrika ianao ambara-piditrao any am-pasana, dia ho tahaka ny amboaram-bary izay akarina ho antontany amin’ny fotoam-pararano.


raha afaka mitsangana indray ilay voa ka mandehandeha mitondra tehina, dia tsy hohelohina akory ilay namely, saingy handoa ny onitry ny andro tsy niasany sy hiantoka tanteraka ny fitsaboana azy.


Dia hitotorebika handihy ny zatovovavy; toy izany koa ny tovolahy sy ny antitra. Fa hoy ny teny hentitry ny TOMPO hoe: Hovako ho fifaliana ny alahelony, ka hampiononiko sy hampiravoako izy mba ho afaka amin’ny fahoriany.


«Amin’izay ny olona tambanivohitra sy an-tanàn-dehibe ao Joda dia hiara-monina eo amin’ny tany, isan’izany ireo tantsaha sy ireo mpiompy mifindrafindra lasy miaraka amin’ny biby fiompiny.


ka nanontany indray hoe: –Tonga mba hanao inona moa ireto? Ary dia namaly izy hoe: –Ireto kosa dia tonga hampihorohoro sy hampiongana ny firenena matanjaka izay nitsangana hanohitra ny firenen’i Joda sady nampihahaka ny vahoakany mba tsy hisy na iray aza hanohitra azy.


Fa ny efa nohatoninareo kosa dia ny tendrombohitra Tsiôna misy ny tanànan’Andriamanitra velona, dia i Jerosalema any an-danitra. Ny efa nohatoninareo dia ny anjely marobe tsy hita isa


Eny, avy ny fotoana izay handringanako ny matanjaka eo amin’ny fianakavianao sy eo amin’ny tera-drainao, ka tsy hisy lahy ho tratra antitra intsony aminareo.


Hahita mpandrafy hanao fandraharahana ao amin’ny Toeramasina fonenako ianao ary koa hahita ny soa rehetra hataony amin’i Israely; fa ny taranakao sisa rehetra kosa tsy hisy lahy ho tratra antitra intsony.