Noho izany, ny Tompo ANDRIAMANITR’izao rehetra izao dia tsy hampamokatra intsony ny tany lonaka ao Asiria. Ary toy ny fihanaky ny afo rehefa misy hain-trano no hiparitahan’ny afo mihanaka eo ambanin’ny famirapiratan’io firenena io.
Zakaria 7:4 - DIEM PROTESTANTA Koa nisy baikon’ny TOMPOn’izao rehetra izao Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Dia tonga tamiko ny tenin’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao hoe: Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Koa nisy baikon’ny TOMPOn’izao rehetra izao Baiboly Katolika Dia tonga tamiko ny tenin’i Iavehn’ny tafika nanao hoe: Baiboly Protestanta Malagasy Dia tonga tamiko ny tenin’i Jehovah, Tompon’ny maro, nanao hoe: Malagasy Bible Dia tonga tamiko ny tenin'i Jehovah, Tompon'ny maro, nanao hoe: La Bible en Malgache Dia tonga tamiko ny tenin’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao hoe: |
Noho izany, ny Tompo ANDRIAMANITR’izao rehetra izao dia tsy hampamokatra intsony ny tany lonaka ao Asiria. Ary toy ny fihanaky ny afo rehefa misy hain-trano no hiparitahan’ny afo mihanaka eo ambanin’ny famirapiratan’io firenena io.
Ireo no voatendry hanontany ny mpisorona niasa tao amin’ny tranon’ny TOMPOn’izao rehetra izao ary hanontany ny mpaminany hoe: –Mbola hitomany sy hifady hanina amin’ny volana fahadimy toy ny efa fanaonay hatramin’ny ela ihany va izahay?
nampitondra ahy ny valin-teniny ho an’ny mpisorona sy ho an’ny mponina rehetra teo amin’ny tany nanao hoe: «Hatramin’izay fitopolo taona izay, raha nifady hanina sy nitomany tamin’ny volana fahadimy sy fahafito ianareo, moa ho Ahy va no nanaovanareo izany?