Ary nandry feizay i Joda sy i Israely tamin’ny andro rehetra niainan’i Salômôna; fa samy niadam-pinaritra teo anivon’ny voalobony sy ny aviaviny ny olona hatreo Dana ka hatrany Beera-Seba.
Zakaria 3:10 - DIEM PROTESTANTA Amin’izany andro izany ianareo dia samy ho finaritra hifanasa ho eo ambany voaloboka aman’aviavinareo, hoy ny teny hentitra avy amiko TOMPOn’izao rehetra izao.» Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Amin’izany andro izany, hoy Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, dia samy hiantso ny namanareo avy ho eo ambanin’ny voaloboka sy ho eo ambanin’ny aviavy ianareo. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Amin’izany andro izany ianareo dia samy ho finaritra hifanasa ho eo ambany voaloboka aman’aviavinareo, hoy ny teny hentitra avy amiko TOMPOn’izao rehetra izao.» Baiboly Katolika Amin’izany andro izany, - teny marin’i Iavehn’ny tafika, - samy hifanasa avy ianareo, eo ambanin’ny voaloboka sy eo ambanin’ny aviavy. Baiboly Protestanta Malagasy Amin’izany andro izany, hoy Jehovah, Tompon’ny maro, dia samy hiantso ny namanareo avy ho eo ambanin’ny voaloboka sy ho eo ambanin’ny aviavy hianareo. Malagasy Bible Amin'izany andro izany, hoy Jehovah, Tompon'ny maro, dia samy hiantso ny namanareo avy ho eo ambanin'ny voaloboka sy ho eo ambanin'ny aviavy ianareo. La Bible en Malgache Amin’izany andro izany, hoy Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, dia samy hiantso ny namanareo avy ho eo ambanin’ny voaloboka sy ho eo ambanin’ny aviavy ianareo. |
Ary nandry feizay i Joda sy i Israely tamin’ny andro rehetra niainan’i Salômôna; fa samy niadam-pinaritra teo anivon’ny voalobony sy ny aviaviny ny olona hatreo Dana ka hatrany Beera-Seba.
Ny vahoakako hitoetra ao amin’ny faritra miadana, ao amin’ny fonenana misy fandriampahalemana sy ao amin’ny fialan-tsasatra feno fitoniana.
Aza mihaino an’i Hezekià ianareo, fa izaho mpanjakan’i Asiria kosa miteny aminareo hoe: Manaova fanekempihavanana amiko ianareo ary samia mibaboka atỳ amiko; dia samy hihinana ny voalobony sy ny aviaviny ary samy hisotro ny rano avy ao amin’ny lava-pantsakany avy,
Fa izao no lazain’ny TOMPOn’izao rehetra izao sady Andriamanitr’i Israely: Mbola hisy trano sy saha ary tanimboaloboka hovidina indray amin’ity tany ity.
Rehefa mby amin’izany andro izany, hoy ny teny hentitry ny TOMPO, ilay Israely reninareo dia hiantso Ahy hoe «vadiko» fa tsy hoe «Bahalako na tompoko» intsony.
Ny olona samy hipetraka eo anivon’ny voalobony sy aviaviny ka tsy hisy hampahatahotra azy.» Ny TOMPO Andriamanitr’izao rehetra izao, no mampanantena izany.