Tamin’ny volana fahavalon’ny taona faharoa nanjakan’i Dariôsa dia nisy tenin’ny TOMPO tamin’i Zakarià mpaminany zanakalahin’i Berekià sady zafikelin’i Hidào.
Zakaria 1:7 - DIEM PROTESTANTA Tamin’ny taona faharoa nanjakan’i Dariôsa, fony andro faha-24 tamin’ny volana faha-11 na volana Sebata, dia nisy hafatry ny TOMPO tamin’i Zakarià mpaminany, zanakalahin’i Berekià sady zafikelin’i Hidao; ka toy izao no fitantaràn’i Zakarià izany: Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Tamin’ny andro fahefatra amby roapolo tamin’ny volana fahiraika amby folo na ny volana Sebata izany, tamin’ny taona faharoa nanjakan’i Dariosy, dia tonga tamin’i Zakaria mpaminany, zanak’i Berekia, zanak’Ido, ny tenin’NY TOMPO hoe: Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Tamin’ny taona faharoa nanjakan’i Dariôsa, fony andro faha-24 tamin’ny volana faha-11 na volana Sebata, dia nisy hafatry ny TOMPO tamin’i Zakarià mpaminany, zanakalahin’i Berekià sady zafikelin’i Hidao; ka toy izao no fitantaràn’i Zakarià izany: Baiboly Katolika Tamin’ny andro faha-24n’ny volana, izay volana Sabata, tamin’ny taona faharoa nanjakan’i Dariosa, tonga tamin’i Zakaria mpaminany, zanak’i Barakia, zanak’i Adô, ny tenin’Andriamanitra, dia izao: Baiboly Protestanta Malagasy TAMIN’ny andro fahefatra amby roa-polo tamin’ny volana fahiraika ambin’ny folo (volana Sebata izany) tamin’ny taona faharoa nanjakan’i Dariosa dia tonga, tamin’i Zakaria mpaminany, zanak’i Berekia, zanak’Ido, ny tenin’i Jehovah nanao hoe: Malagasy Bible Tamin'ny andro fahefatra amby roa-polo tamin'ny volana fahiraika ambin'ny folo (volana Sebata izany) tamin'ny taona faharoa nanjakan'i Dariosa dia tonga tamin i Zakaria mpaminany, zanak'i Berekia, zanak'Ido, ny tenin'i Jehovah nanao,hoe: La Bible en Malgache Tamin’ny andro fahefatra amby roapolo tamin’ny volana fahiraika amby folo na ny volana Sebata izany, tamin’ny taona faharoa nanjakan’i Dariosy, dia tonga tamin’i Zakaria mpaminany, zanak’i Berekia, zanak’Ido, ny tenin’NY TOMPO hoe: |
Tamin’ny volana fahavalon’ny taona faharoa nanjakan’i Dariôsa dia nisy tenin’ny TOMPO tamin’i Zakarià mpaminany zanakalahin’i Berekià sady zafikelin’i Hidào.
Nefa ny teny sy ny didy izay nomeko ny mpaminany mpanompoko dia mba nandresy lahatra ny razanareo ihany; ka niala tamin’ny ratsy izy ary niaiky fa Izaho TOMPOn’izao rehetra izao no efa nitondra azy araka izay notapahiko, dia araka izay sahaza ny toetrany sy ny asany.»
Alina no nahitako fa indro nisy lehilahy mitaingin-tsoavaly mena ka nijanona teo anivon’ny hazo mirta teny an-dohasaha lalina; ary teo aoriany nisy soavaly mena sy sadamena ary fotsy sy mainty.
Koa hitambesatra aminareo ny ratsy natao tamin’ny olo-marina rehetra nalatsa-dra teto amin’ity tany ity, nanomboka tamin’i Abela olo-marina ka niafara tamin’i Zakarià zanakalahin’i Barakià, ilay novonoinareo teo anelanelan’ny Toeramasina sy ny alitara fisoronana.