Dia hoy ny Tompo tamin’i Satàna: –Avy taiza moa ianao? Dia namaly ny Tompo izy hoe: –Avy nitetitety ny tany sy nihaodihaody teny aho.
Zakaria 1:10 - DIEM PROTESTANTA Ary ilay lehilahy nijanona teo anivon’ny hazo mirta dia niteny hoe: «Nirahin’ny TOMPO ireo mba hitety ny tany.» Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary hoy Ralehilahy izay nijanona teny amin’ny rotra: Ireo dia nirahin’NY TOMPO hivezivezy eny amin’ny tany. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ary ilay lehilahy nijanona teo anivon’ny hazo mirta dia niteny hoe: «Nirahin’ny TOMPO ireo mba hitety ny tany.» Baiboly Katolika Ary ralehilahy izay teo amin’ny mirta, niteny nanao hoe: Ireo no nirahin’i Iaveh hitety ny tany. Baiboly Protestanta Malagasy Ary ralehilahy izay nijanona teny amin’ny rotra dia namaly hoe: Ireo dia nirahin’i Jehovah hivoivoy eny amin’ny tany. Malagasy Bible Ary ralehilahy izay nijanona teny amin'ny rotra dia namaly hoe: Ireo dia nirahin'Jehovah hivoivoy eny amin'ny tany. La Bible en Malgache Ary hoy Ralehilahy izay nijanona teny amin’ny rotra: Ireo dia nirahin’NY TOMPO hivezivezy eny amin’ny tany. |
Dia hoy ny Tompo tamin’i Satàna: –Avy taiza moa ianao? Dia namaly ny Tompo izy hoe: –Avy nitetitety ny tany sy nihaodihaody teny aho.
Dia namaly ilay anjelin’ny TOMPO ireo mpitaingin-tsoavaly ka nanao hoe: «Efa notetezinay ny tany manontolo, ka hitanay fa milamina sy mandry feizay.»
Alina no nahitako fa indro nisy lehilahy mitaingin-tsoavaly mena ka nijanona teo anivon’ny hazo mirta teny an-dohasaha lalina; ary teo aoriany nisy soavaly mena sy sadamena ary fotsy sy mainty.
Dia hoy ny teny hentitry ny Tompon’izao rehetra izao hoe: «Ry sabatra, mifohaza hamely ity mpiandry sady lehilahy namako ity Asio ny mpiandry, dia hiparitaka ny ondry; ary hiverina hamely hatramin’ny madinika Aho.»
Tamin’izay dia niainga ho azy ny vongam-piraka saron’ilay vata, ary indro hitako nisy vehivavy iray mipetraka ao anatiny.
Fa inona moa ny anjely? Fanahy manompo an’Andriamanitra izy rehetra, ka irahiny mba hanasoa ireo olona natao handray famonjena.