Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Rota 4:5 - DIEM PROTESTANTA

Dia hoy kosa i Bôhaza: –Amin’ny andro ividiananao ny saha eo an-tanan’i Nahômỳ, dia halainao ho vady koa i Rota vehivavy môabita mba hamelo-maso ny anaran’ny maty eo amin’ny lovany.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Dia hoy i Boaza: Amin’izay andro ividiananao ny tany amin’ny tanan’i Naomy dia amin’i Rota koa, vehivavy moabita, vadin’ny maty, no hividiananao azy mba hitondra loloha ny anaran’ny maty ao amin’ny lovany ianao.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Dia hoy kosa i Bôhaza: –Amin’ny andro ividiananao ny saha eo an-tanan’i Nahômỳ, dia halainao ho vady koa i Rota vehivavy môabita mba hamelo-maso ny anaran’ny maty eo amin’ny lovany.

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

Ka hoy i Booza: «Amin’ny andro hahazoanao ny tany amin’ny tanan’i Nôemì dia ho azonao koa izany amin’ny tanan’i Rota, ilay Moabita, vadin’ny maty, mba hamelomanao maso ny anaran’ny maty eo amin’ny lovany.»

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Dia hoy Boaza: Amin’izay andro ividiananao ny tany amin’ny tànan’i Naomy, dia amin’i Rota koa, vehivavy Moabita, vadin’ny maty, no hividiananao azy, mba hamelo-maso ny anaran’ny maty ao amin’ny lovany hianao.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Dia hoy Boaza: Amin'izay andro ividiananao ny tany amin'ny tànan'i Naomy, dia amin'i Rota koa, vehivavy Moabita, vadin'ny maty, no hividiananao azy, mba hamelo-maso ny anaran'ny maty ao amin'ny lovany ianao.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Dia hoy i Boaza: Amin’izay andro ividiananao ny tany amin’ny tanan’i Naomy dia amin’i Rota koa, vehivavy moabita, vadin’ny maty, no hividiananao azy mba hitondra loloha ny anaran’ny maty ao amin’ny lovany ianao.

Jereo ny toko



Rota 4:5
6 Rohy Ifampitohizana  

Dia hoy i Joda tamin’i Onàna: –Mandehana mankany amin’ny vady navelan’ny rahalahinao, ka alao ho vady loloha izy mba hamelo-maso ny rahalahinao.


hoe: –Mpampianatra ô, izao no voalazan’i Mosesy: «Raha misy lehilahy maty tsy nanan-taranaka, dia aoka ny rahalahiny hampakatra ny vady navelany, mba hiteraka hamela solofo ho an’ny maty.»


hoe: –Mpampianatra ô, izao no didy voasoratra nomen’i Mosesy antsika: «Raha misy lehilahy maty mbola velom-bady nefa tsy nanan-taranaka, dia aoka ny rahalahiny hampakatra an-dravehivavy, ka hiteraka hamela solofo ho an’ny maty.»


Raha tsy sitra-dralehilahy ny hitondra loloha ny vadin-drahalahiny, dia aoka hanatona ny loholona eo amin’ny fitsarana ravehivavy ka hanao hoe: «Tsy mety mamelona ny anaran’ny rahalahiny eo amin’i Israely ny zaodahiko, fa tsy te hitondra loloha ahy».