Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Nomery 9:7 - DIEM PROTESTANTA

ka niteny taminy hoe: –Voaloton’ny fatin’olona izahay. Koa nahoana no raràna tsy hahazo mitondra ny fanatitray ho an’ny TOMPO amin’ny andro voatondro toy ny Israelita rehetra?

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

ka niteny taminy hoe: Maloto tamim-paty izahay; koa nahoana no sakanana tsy hiaraka amin’ny Zanak’Israely hanolotra ny fanatitra ho an’NY TOMPO amin’ny fotoanany?

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

ka niteny taminy hoe: –Voaloton’ny fatin’olona izahay. Koa nahoana no raràna tsy hahazo mitondra ny fanatitray ho an’ny TOMPO amin’ny andro voatondro toy ny Israelita rehetra?

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

«Voaloto tamim-paty izahay, nahoana izahay no tsy afaka hanolotra ny fanatitray amin’i Iaveh amin’ny fotoana voatendry, eo afovoan’ny zanak’i Israely?»

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

ka nanao taminy hoe: Maloto tamim-paty izahay, ka nahoana no sakanana tsy hiaraka amin’ny Zanak’Isiraely hanatitra ny fanatitra ho an’i Jehovah amin’ny fotoany?

Jereo ny toko

Malagasy Bible

ka nanao taminy hoe: Maloto tamim-paty izahay, ka nahoana no sakanana tsy hiaraka amin'ny Zanak'Isiraely hanatitra ny fanatitra ho an'i Jehovah amin'ny fotoany?

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

ka niteny taminy hoe: Maloto tamim-paty izahay; koa nahoana no sakanana tsy hiaraka amin’ny Zanak’Israely hanolotra ny fanatitra ho an’NY TOMPO amin’ny fotoanany?

Jereo ny toko



Nomery 9:7
7 Rohy Ifampitohizana  

dia hovalianareo hoe: «Sorona atolotra ny TOMPO amin’ny andro Paska io. Fony mbola tany Ejipta manko ny Israelita, dia nanafay ny Ejiptianina ny TOMPO, fa nandalo fotsiny kosa teo anoloan’ny tranonay ka nanafaka ny fianakavianay.» Dia niankohoka ny vahoaka israelita mba hivavaka amin’ny TOMPO.


–Aoka ny Israelita hankalaza ny fetin’ny Paska amin’ny andro voatondro;


Tamin’izay andro izay anefa dia nisy olona sasany voaloton’ny fatin’olona ka tsy nahazo nankalaza ny Paska. Koa dia nankany amin’i Mosesy sy i Aharôna izy androtr’io ihany


Fa hoy i Mosesy tamin’izy ireo: –Andraso aloha mandra-pahafantatro izay andidian’ny TOMPO ny momba anareo.


Koa hatolotrareo ho an’ny TOMPO Andriamanitrareo ny sorom-pihavanana fanao amin’ny Paska, dia ondry aman’osy na omby, eo amin’ny toerana izay hofidin’ny TOMPO mba hipetrahan’ny voninahiny.