Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Nomery 4:25 - DIEM PROTESTANTA

hitondra ny lamba mandrakotra ny Fonena-masina ny Tranolay fihaonana, ny rakotra lambam-baravarana fidirana eo amin’ny Tranolay fihaonana,

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Ny ambain’ny tabernakely sy ny tranolay fihaonana, ny rakotra sy ny sarona hoditra trozona izay eo amboniny, ny varavarana lamba amin’ny varavaran’ny tranolay fihaonana,

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

hitondra ny lamba mandrakotra ny Fonena-masina ny Tranolay fihaonana, ny rakotra lambam-baravarana fidirana eo amin’ny Tranolay fihaonana,

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

Hitondra ny ambain’ny Fonenana sy ny trano lay fihaonana izy, mbamin’ny firakony sy ny sarona hodi-dogaona izay fanao eo amboniny, ny varavarana lamba izay eo amin’ny fidiran’ny trano lay fihaonana,

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

ny ambain’ny tabernakely sy ny trano-lay fihaonana sy ny firakony sy ny sarona hodi-takasy izay eo amboniny, ary ny varavarana lamba amin’ny varavaran’ny trano-lay fihaonana,

Jereo ny toko

Malagasy Bible

ny ambain'ny tabernakely sy ny trano-lay fihaonana sy ny firakony sy ny sarona hodi-takasy izay eo amboniny, ary ny varavarana lamba amin'ny varavaran'ny trano-lay fihaonana,

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Ny ambain’ny tabernakely* sy ny tranolay fihaonana, ny rakotra sy ny sarona hoditra trozona izay eo amboniny, ny varavarana lamba amin’ny varavaran’ny tranolay fihaonana,

Jereo ny toko



Nomery 4:25
8 Rohy Ifampitohizana  

«Ary momba ny fonena-masina, dia lamba temitra folo vita amin’ny kiran-drongony mafy mifangaro volon’ondry miloko volomparasy sy mena ary jaky no hanaovana azy, ravahana kerobima vita peta-kofehy tsara.


Mba hiarovana ny lay faharoa, dia hoditr’ondrilahy miloko mena sy sarona vita amin’ny hoditra mafy no harakotra eo amboniny.


Avy eo dia novelarina teo ambonin’ny fonena-masina ny lay, ary napetraka teo ambonin’io lay io ny sarona fiarovana, araka izay efa nandidian’ny TOMPO an’i Mosesy.


Fa ampiandraiketo azy kosa ny fitandremana ny Fonena-masina izay nametrahana ny raki-tsoratry ny fanekempihavanana ary koa ny fanaka sy ny kojakoja rehetra momba azy. Ireo no hitondra ny Fonena-masina mbamin’ny fanaka rehetra momba azy sy hanao fanompoam-pivavahana ao aminy ary hitoby manodidina azy.


Izao no asa hampiandraiketina ny tariky ny Gersônita:


hasiany lamba hoditra manify eo ambonin’izany, dia hamelarany lamba volomparasy indray eo ambonin’io, vao hapetrany ny bao filanjana azy.