Nomery 4:1 - DIEM PROTESTANTA Niteny tamin’i Mosesy sy i Aharôna ny TOMPO ka nanao hoe: Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary NY TOMPO niteny tamin’i Mosesy sy i Arona hoe: Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Niteny tamin’i Mosesy sy i Aharôna ny TOMPO ka nanao hoe: Baiboly Katolika Ary niteny tamin’i Môizy sy i Aarôna i Iaveh ka nanao hoe: Baiboly Protestanta Malagasy ARY Jehovah niteny tamin’i Mosesy sy Arona ka nanao hoe: Malagasy Bible Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy sy Arona ka nanao hoe: La Bible en Malgache Ary NY TOMPO niteny tamin’i Mosesy sy i Arona hoe: |
Ary indro nomeko ho lefiny i Ôhôliaba, zanakalahin’i Ahisamàka, avy amin’ny fokon’i Dana, sady efa nomeko ny fahakingana lehibe izay an’ireo mpahay taozavatra hafa koa. Izy ireo no hiaraka hanatanteraka izay rehetra nandidiako anao hatao:
Hanao fanompoana ao amin’ny Toeramasina onenako izy ka hiambina ireo vavahadin’ny tempoly ary hanatanteraka asa tsotsotra isan-karazany ao an-tempoly. Hisolo ny olona izy hamono ireo biby hatao sorona dorana manontolo sy sorona hafa ka hijoro eo anoloan’ny vahoaka mba hanompo azy.
Rehefa hiainga kosa ny Fonena-masina, dia ny Levita no hangorona azy; ary rehefa hijanona ny Fonena-masina, dia ny Levita no hanangana azy. Fa izay olon-kafa mitady hanatona eo dia hatao maty.
dia natolotr’i Mosesy an’i Aharôna sy ny zanany izany vola avotra izany, araka ny didy nampitain’ny TOMPO tamin’i Mosesy.
Eo amin’ny samy Levita, dia ataovy lisitra isan-tarika sy isam-pianakaviana ny taranak’i Kehàta, feno telopolo taona ka hatramin’ny dimampolo taona, izany hoe ireo rehetra tokony hirotsaka hanao ny asam-panompoana ao amin’ny Tranolay fihaonana.