Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Nomery 3:51 - DIEM PROTESTANTA

51 dia natolotr’i Mosesy an’i Aharôna sy ny zanany izany vola avotra izany, araka ny didy nampitain’ny TOMPO tamin’i Mosesy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

51 Dia nomen’i Mosesy an’i Arona sy ireo zanany izany vola avotra izany, araka ny tenin’NY TOMPO, araka izay nandidian’NY TOMPO an’i Mosesy.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

51 dia natolotr’i Mosesy an’i Aharôna sy ny zanany izany vola avotra izany, araka ny didy nampitain’ny TOMPO tamin’i Mosesy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

51 Nomen’i Môizy an’i Aarôna sy ny zanany izany vola avy amin’ny fanavotana izany, araka ny tenin’i Iaveh, dia araka ny nandidian’i Iaveh an’i Môizy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

51 dia nomen’i Mosesy an’i Arona sy ny zanany izany vola avotra izany, araka ny tenin’i Jehovah, dia araka izay efa nandidian’i Jehovah an’i Mosesy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

51 dia nomen'i Mosesy an'i Arona sy ny zanany izany vola avotra izany, araka ny tenin'i Jehovah, dia araka izay efa nandidian'i Jehovah an'i Mosesy.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

51 Dia nomen’i Mosesy an’i Arona sy ireo zanany izany vola avotra izany, araka ny tenin’NY TOMPO, araka izay nandidian’NY TOMPO an’i Mosesy.

Jereo ny toko dika mitovy




Nomery 3:51
11 Rohy Ifampitohizana  

Dia nanatanteraka araka izay nandidian’ny TOMPO an’i Mosesy sy i Aharôna ny Israelita rehetra.


mifanaraka amin’ny nandidian’ny TOMPO an’i Mosesy. Tao an-taniefitr’i Sinay no nanaovany ny fanisana.


Tezitra aoka izany i Mosesy ka niteny tamin’ny TOMPO hoe: –Aza raharahainao akory izay fanatitr’izy ireo! Fa tsy mba naka na dia boriky iray taminy akory aza aho, ary koa tsy mba nanisy ratsy na dia ny anankiray taminy akory aza.


Homenao an’i Aharôna sy ny zanany io vola io ho avotr’ireo lahimatoa mihoatra isa ireo.


Vola denàry 1 365 no voaangony tamin’ny lahimatoan’ny Israelita, araka ny sekela fampiasa ao amin’ny Toeramasina;


Niteny tamin’i Mosesy sy i Aharôna ny TOMPO ka nanao hoe:


Tsy mba nisy volafotsy na volamena na fitafian’iza na iza notsiriritiko.


Raha ny olon-kafa aza manana izany zo izany, tsy mainka ve fa izahay? Kanefa tsy nampiasa izany zo izany izahay, fa dia nihafy tamin’ny zavatra rehetra, mba tsy hisakantsakanana ilay Vaovao Mahafaly momba an’i Kristy.


Aoka ianareo ho mpiandry ny andianondry napetrak’Andriamanitra hiandraiketanareo, ka hitandrina azy tsy an-terivozona fa an-tsitrapo araka an’Andriamanitra: tsy amim-pitiavan-karena fa amin-jotom-po,


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra