Ny fitambaran’ny lehilahy levita rehetra feno iray volana no ho miakatra, nisain’i Mosesy sy i Aharôna isan-tarika araka ny didin’ny TOMPO, dia nahatratra 22 000.
Nomery 3:43 - DIEM PROTESTANTA dia izay feno iray volana no ho miakatra; ka nahatratra 22 273 ny fitambarany araka ny lisitry ny anarany. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ny lahimatoa rehetra izay nisaina, araka ny anarany tsirairay, hatramin’ny iray volana no ho miakatra, dia telo amby fitopolo sy roanjato sy roa arivo sy roa alina. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara dia izay feno iray volana no ho miakatra; ka nahatratra 22 273 ny fitambarany araka ny lisitry ny anarany. Baiboly Katolika ka nisy 22.273 ny lahy matoa rehetra voaisa, hatramin’ny iray volana no ho miakatra, nisaina araka ny anarany avy. Baiboly Protestanta Malagasy Ary ny lahimatoa rehetra, araka ny anarany tsirairay hatramin’ny iray volana no ho miakatra,–izay nalamina avy taminy dia telo amby fito-polo sy roan-jato sy roa arivo sy roa alina. Malagasy Bible Ary ny lahimatoa rehetra, araka ny anarany tsirairay hatramin'ny iray volana no ho miakatra, izay nalamina avy taminy dia telo amby fito-polo sy roan-jato sy roa arivo sy roa alina. La Bible en Malgache Ny lahimatoa rehetra izay nisaina, araka ny anarany tsirairay, hatramin’ny iray volana no ho miakatra, dia telo amby fitopolo sy roanjato sy roa arivo sy roa alina. |
Ny fitambaran’ny lehilahy levita rehetra feno iray volana no ho miakatra, nisain’i Mosesy sy i Aharôna isan-tarika araka ny didin’ny TOMPO, dia nahatratra 22 000.
Dia nisain’i Mosesy araka ny nandidian’ny TOMPO azy ny lahimatoa rehetra teo amin’ny Israelita,