Nomery 3:22 - DIEM PROTESTANTA Rehefa natao fanisana ny lehilahy rehetra tao aminy, izay feno iray volana no ho miakatra, dia nahatratra 7 500. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Izay voaisa, araka ny isan’ny lahy rehetra hatramin’ny iray volana no ho miakatra, dia dimanjato sy fito arivo. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Rehefa natao fanisana ny lehilahy rehetra tao aminy, izay feno iray volana no ho miakatra, dia nahatratra 7 500. Baiboly Katolika Ny voaisa tamin’izy ireo, tamin’ny nanisana ny lahy rehetra hatramin’ny iray volana no ho miakatra, ny voaisa dia dimanjato amby fito arivo. Baiboly Protestanta Malagasy Ary izay nalamina, araka ny isan’ny lahy rehetra hatramin’ny iray volana no ho miakatra, dia diman-jato amby fito arivo. Malagasy Bible Ary izay nalamina, araka ny isan'ny lahy rehetra hatramin'ny iray volana no ho miakatra, dia diman-jato amby fito arivo. La Bible en Malgache Izay voaisa, araka ny isan’ny lahy rehetra hatramin’ny iray volana no ho miakatra, dia dimanjato sy fito arivo. |