Ary nandry feizay i Joda sy i Israely tamin’ny andro rehetra niainan’i Salômôna; fa samy niadam-pinaritra teo anivon’ny voalobony sy ny aviaviny ny olona hatreo Dana ka hatrany Beera-Seba.
Nomery 27:16 - DIEM PROTESTANTA –TOMPO Andriamanitra ô, aoka Ianao mpanome aina ny voaary rehetra no hanendry lehilahy anankiray izay afaka hitondra ny fiangonana Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Aoka NY TOMPO, Andriamanitry ny fanahin’ny nofo rehetra, hanendry lehilahy izay hitandrina ny fiangonana Dikateny Iombonana Eto Madagasikara –TOMPO Andriamanitra ô, aoka Ianao mpanome aina ny voaary rehetra no hanendry lehilahy anankiray izay afaka hitondra ny fiangonana Baiboly Katolika «Aoka i Iaveh, ilay Andriamanitry ny fanahin’ny nofo rehetra, hanendry lehilahy anankiray hitondra ny fiangonana. Baiboly Protestanta Malagasy Aoka Jehovah, Andriamanitry ny fanahin’ny nofo rehetra, hanendry lehilahy izay hitandrina ny fiangonana Malagasy Bible Aoka Jehovah, Andriamanitry ny fanahin'ny nofo rehetra, hanendry lehilahy izay hitandrina ny fiangonana La Bible en Malgache Aoka NY TOMPO, Andriamanitry ny fanahin’ny nofo rehetra, hanendry lehilahy izay hitandrina ny fiangonana |
Ary nandry feizay i Joda sy i Israely tamin’ny andro rehetra niainan’i Salômôna; fa samy niadam-pinaritra teo anivon’ny voalobony sy ny aviaviny ny olona hatreo Dana ka hatrany Beera-Seba.
Ny miaramila rehetra dia hitam-piadiana avokoa ka hanemitra ny mpanjaka ary hanaraka azy na aiza na aiza alehany. Izay mikasa hanatona ny laharanareo dia hatao maty.
Amin’izay no hiverina ho vovoka amin’ny tany nakana azy fahiny ny vatantsika fa ny fofonaina kosa hiverina amin’Andriamanitra Izay nanome antsika izany.
Ka any no hanomezako anareo mpitondra araka izay sitrako sy afaka hitondra anareo amim-pahalalana sy amim-pahendrena.
Fa nianiana mangingina tamin’i Jeremià ny mpanjaka, ka nanao hoe: –Velona ny TOMPO Izay nanome aina antsika, ka mianiana aminao aho fa tsy hamono anao ho faty, ary tsy hanolotra anao amin’ireo olona mifofo ny ainao.
Fa samy Ahy avokoa ny ain’ny tsirairay avy, na ny an’ny ray aman-dreny na ny an’ny zanany; koa izay olona manota ihany no ho faty.
Mpiandry tokana no hatsangako hitarika azy, ka izy no hiandry azy, dia i Davida mpanompoko izany. Izy no hikarakara azy ary ho mpiandry azy tokoa.
I Davida mpanompoko no ho mpanjakanareo ka izy irery ihany no ho mpiandry anareo rehetra. Dia hanaraka ny fitsipiko ianareo sady hitandrina ny lalànako sy hanatanteraka ireny.
Dia niankohoka tamin’ny tany i Mosesy sy i Aharôna sady nanao hoe: –Ry Andriamanitra ô, Andriamanitra loharanom-piainan’ny voaary rehetra Ianao, ka hotezeranao ve ny fiangonana manontolo noho ny olona iray nanota?
Tandremo ny tenanareo sy ny ondry rehetra nankinin’ny Fanahy Masina aminareo mba handrasanareo. Karakarao ny Fiangonana izay novidin’Andriamanitra tamin’ny alalan’ny ra nafoin-Janany.
Dia hoy ny TOMPO tamin’i Mosesy: –Indro antomotra ny andro hahafatesanao; koa antsoy i Josoa, ary tongava eo anoloan’ny Tranolay fihaonana ianareo mba hameperako azy. Dia nandeha nankeo anoloan’ny Tranolay fihaonana ry i Mosesy sy i Josoa
Nanana ny raintsika eto an-tany isika, ary nampihatra famaizana tamintsika izy ka izany no anajantsika azy; fa vao mainka tokony hanaiky ilay Raintsika any an-danitra isika mba ho velona.
Koa indro ny mpanjaka izay nirinareo sy nangatahinareo hanjaka aminareo fa nomen’ny TOMPO anareo.