Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Jeremia 38:16 - DIEM PROTESTANTA

16 Fa nianiana mangingina tamin’i Jeremià ny mpanjaka, ka nanao hoe: –Velona ny TOMPO Izay nanome aina antsika, ka mianiana aminao aho fa tsy hamono anao ho faty, ary tsy hanolotra anao amin’ireo olona mifofo ny ainao.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

16 Ary i Zedekia mpanjaka dia nianiana mangingina tamin’i Jeremia hoe: Raha velona koa NY TOMPO izay nanome aina antsika toy izao, dia tsy hamono anao tokoa aho, na hanolotra anao eo an-tanan’ireto olona mitady ny ainao ireto.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

16 Fa nianiana mangingina tamin’i Jeremià ny mpanjaka, ka nanao hoe: –Velona ny TOMPO Izay nanome aina antsika, ka mianiana aminao aho fa tsy hamono anao ho faty, ary tsy hanolotra anao amin’ireo olona mifofo ny ainao.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

16 Dia nianiana mangingina tamin’i Jeremia i Sedesiasa mpanjaka, nanao hoe: «Velona i Iaveh izay nanome antsika ity fiainana ity. Tsy hamono anao aho, na hanolotra anao amin’ireo olona mitady ny ainao ireo.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

16 Ary Zedekia mpanjaka nianiana mangingina tamin’i Jeremia nanao hoe: Raha velona koa Jehovah, Izay nanao izao fanahintsika izao, dia tsy hamono anao tokoa aho, na hanolotra anao eo an-tànan’ireto olona mitady ny ainao ireto.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

16 Ary Zedekia mpanjaka nianiana mangingina tamin'i Jeremia nanao hoe: Raha velona koa Jehovah, Izay nanao izao fanahintsika izao, dia tsy hamono anao tokoa aho, na hanolotra anao eo an-tànan'ireto olona mitady ny ainao ireto.

Jereo ny toko dika mitovy




Jeremia 38:16
13 Rohy Ifampitohizana  

Amin’izay no hiverina ho vovoka amin’ny tany nakana azy fahiny ny vatantsika fa ny fofonaina kosa hiverina amin’Andriamanitra Izay nanome antsika izany.


Izao no tenin’ny TOMPO Andriamanitra Izay nahary ny lanitra sy nanenjana azy hidadasika, Izay namelatra ny tany mbamin’ny zava-maniry vokariny, Izay manome fofonaina ho an’ny olona eo aminy sy fanahy ho an’ny mponina miriaria ao; eny, izao no tenin’ny TOMPO Andriamanitra amin’ilay mpanompo voafidiny:


Fa tsy hanakiana lava Aho na ho tezitra hatrany; raha tsy izany dia ho faty eo anatrehako ny fofonaina mbamin’ny mananaina noariko.


Koa hatolotro ho eo an-tanan’ny fahavalo izay mitady hahafaty azy izy; ary ho sakafon’ny voromahery sy ny bibidia ny fatiny.


no nanirahan’i Tsedekià olona haka azy mba hanontaniany mangina tao an-dapany hoe: –Moa misy hafatry ny TOMPO tokoa va ho ahy? Ka novalian’i Jeremià hoe: –Eny, dia inty: «Hatolotra eo an-tanan’ny mpanjakan’i Babilôna ianao.»


Hafatry ny Tompo momba an’i Israely. Izao no teny hentitra ambaran’ny Tompo Izay namelatra ny lanitra sy namorona ny tany, ary nanome aina ny olona:


Dia niankohoka tamin’ny tany i Mosesy sy i Aharôna sady nanao hoe: –Ry Andriamanitra ô, Andriamanitra loharanom-piainan’ny voaary rehetra Ianao, ka hotezeranao ve ny fiangonana manontolo noho ny olona iray nanota?


–TOMPO Andriamanitra ô, aoka Ianao mpanome aina ny voaary rehetra no hanendry lehilahy anankiray izay afaka hitondra ny fiangonana


Nanatona an’i Jesoa izy indray alina ary niteny taminy hoe: –Mpampianatra ô, fantatray fa Mpampianatra nirahin’Andriamanitra Ianao; satria tsy misy olona mahavita ireo famantarana ataonao ireo, raha tsy ombàn’Andriamanitra.


Tsy hoe orin-javatra Andriamanitra ka tompoin’olombelona, satria Izy ihany no manome ny aina sy ny fofon’aina mbamin’ny zavatra rehetra ho an’ny olombelona tsy an-kanavaka.


satria «Ao aminy no ivelomantsika sy ihetsiketsehantsika ary isiantsika.» Izany indrindra koa no nilazan’ny mpanao tononkira sasany teo aminareo hoe: «Avy amin’Andriamanitra no ipoirantsika.»


Nanana ny raintsika eto an-tany isika, ary nampihatra famaizana tamintsika izy ka izany no anajantsika azy; fa vao mainka tokony hanaiky ilay Raintsika any an-danitra isika mba ho velona.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra