Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Nomery 27:11 - DIEM PROTESTANTA

Ary raha tsy manan-drahalahin-dray izy, dia ny havany akaiky azy indrindra ao amin’ny tarika misy azy no homenareo ny zara taniny, ka dia izy no handova izany. Ho fomba fanao hitondrana ny Israelita izany, araka izay nandidian’ny TOMPO an’i Mosesy.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Ary raha tsy manan-drahalahy ny rainy dia ny havany akaiky azy amin’ny fianakaviany no homenareo ny zarataniny, koa izy no handova azy. Ho lalàna hitondrana ny Zanak’Israely izany araka ny didy nomen’NY TOMPO an’i Mosesy.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Ary raha tsy manan-drahalahin-dray izy, dia ny havany akaiky azy indrindra ao amin’ny tarika misy azy no homenareo ny zara taniny, ka dia izy no handova izany. Ho fomba fanao hitondrana ny Israelita izany, araka izay nandidian’ny TOMPO an’i Mosesy.

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

Ary raha tsy manan-drahalahin-dray izy, dia izay havany akaiky indrindra ao amin’ny fokony no homenareo ny lovany, ka dia izay no tompony. Ho lalàna mametra ny rariny ho an’ny zanak’i Israely izany, araka ny nandidian’i Iaveh an’i Môizy.»

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary raha tsy manan-drahalahy ny rainy, dia ny havany akaiky azy amin’ny fokony no homenareo ny zara-taniny, ka izy no handova azy: ho lalàna hitondrana ny Zanak’Isiraely izany, araka izay nandidian’i Jehovah an’i Mosesy.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary raha tsy manan-drahalahy ny rainy, dia ny havany akaiky azy amin'ny fokony no homenareo ny zara-taniny, ka izy no handova azy: ho lalàna hitondrana ny Zanak'Isiraely izany araka izay nandidian'i Jehovah an'i Mosesy.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Ary raha tsy manan-drahalahy ny rainy dia ny havany akaiky azy amin’ny fianakaviany no homenareo ny zarataniny, koa izy no handova azy. Ho lalàna hitondrana ny Zanak’Israely izany araka ny didy nomen’NY TOMPO an’i Mosesy.

Jereo ny toko



Nomery 27:11
7 Rohy Ifampitohizana  

Araka izay nolazain’ny TOMPO, dia tonga tany amiko tao an-kianja fiambenana tokoa i Hanamèla zana-drahalahin-draiko, ka niteny tamiko hoe: –Tokony hovidinao ny sahako izay ao Hanatôta ao amin’ny tanin’i Benjamîna, fa ianao no havako akaiky ka manan-jo hanavotra sy hanana azy. Koa fantatro tamin’izay fa ny TOMPO tokoa no efa niteny tamiko.


«Raha tàhiny misy mihamahantra ny mpiray firenena aminao ka mivarotra ampahany amin’ny taniny, dia ho avy ny havany akaiky ka hanavotra izay tany amidiny.


na ny rahalahin-drainy, na ny zana-drahalahin-drainy, na ny anankiray amin’ireo havany akaiky; mahazo miavo-tena koa izy, raha tàhiny manana ny ampy ho an’izany.


Raha tsy manan-drahalahy izy, dia ny rahalahin-drainy no homenareo ny lovany.


«Izany fomba fanao izany dia hampiharinareo hatrany, na aiza na aiza honenanareo.


Nanomboka tamin’io andro io, dia nataon’i Davida lalàna sy fomba ho an’i Israely izany ary mbola arahina mandraka androany.