Nomery 13:1 - DIEM PROTESTANTA Niteny tamin’i Mosesy ny TOMPO ka nanao hoe: Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary NY TOMPO niteny tamin’i Mosesy hoe: Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Niteny tamin’i Mosesy ny TOMPO ka nanao hoe: Baiboly Katolika Niteny tamin’i Môizy i Iaveh ka nanao hoe: Baiboly Protestanta Malagasy ARY Jehovah niteny tamin’i Mosesy ka nanao hoe: Malagasy Bible Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy, ka nanao hoe: La Bible en Malgache Ary NY TOMPO niteny tamin’i Mosesy hoe: |
Dia nohatoninareo rehetra aho ka nilazanareo hoe: «Aoka isika haniraka olona hialoha antsika mba hisafo ny tany; dia hanao tatitra ho antsika ireo ka hilaza ny lalana tokony hiakarantsika sy ny tanàna izay hivantanantsika.»
Ary fony nampandehanin’ny TOMPO niala tao Kadesy-Barnea ianareo ka nataony hoe: «Miakara ka alaovy ho fanananareo ny tany izay omeko anareo», dia nolavinareo ny tenin’ny TOMPO; fa tsy nino Azy ianareo na nihaino ny feony.
Efapolo taona aho tamin’izay no nirahin’Andriamanitra raha nirahin’i Mosesy, mpanompon’ny TOMPO, avy tao Kadesy-Barnea mba hisafo ity tany ity; ary nony niverina aho, dia nanao tatitra taminy araka izay tao am-poko,
Ary i Josoa, zanakalahin’i Nona, dia nandefa mpitsikilo roa lahy mangingina avy tao an-tobin’i Sitima ka niteny taminy hoe: –Ndeha misafo ny tany ianareo, indrindra fa ny tanànan’i Jerikao. Nony tonga tao an-tanàna izy roa lahy, dia niditra tao an-tranon’ny vehivavy mpivaro-tena iray atao hoe Rahaba ka nandry tao.