Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Nomery 12:7 - DIEM PROTESTANTA

Fa tsy mba toy izany kosa i Mosesy mpanompoko izay olona mahatoky tamin’ny fiandraiketana ny tranoko manontolo.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Fa tsy toy izany kosa i Mosesy mpanompoko izay mahatoky amin’ny tranoko manontolo.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Fa tsy mba toy izany kosa i Mosesy mpanompoko izay olona mahatoky tamin’ny fiandraiketana ny tranoko manontolo.

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

Tsy mba toy izany i Môizy mpanompoko; ekena ho olo-mahatoky amin’ny tranoko rehetra izy.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Fa tsy toy izany kosa Mosesy mpanompoko, izay mahatoky amin’ny tranoko rehetra.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Fa tsy toy izany kosa Mosesy mpanompoko, izay mahatoky amin'ny tranoko rehetra.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Fa tsy toy izany kosa i Mosesy mpanompoko izay mahatoky amin’ny tranoko manontolo.

Jereo ny toko



Nomery 12:7
15 Rohy Ifampitohizana  

Ary hoy ny Tompo taminy: –Efa nahita an’i Jôba mpanompoko ve ianao? Fa tsy misy tahaka azy eny ambonin’ny tany: lehilahy tsy misy hokianina sady mahitsy ary manaja Ahy izy ka nifady ny ratsy.


Kanjo nirahiny i Mosesy mpanompony sy i Aharôna ilay voafidiny:


Ary ny TOMPO niteny nifanatrika tamin’i Mosesy tahaka ny olona miresaka amin’ny sakaizany. Taorian’izay dia niverina ho an-toby i Mosesy; fa i Josoa, zanakalahin’i Nona sady zatovo mpanompon’i Mosesy, no mbola nijanona tao anatin’ny tranolay masina.


–Tsy mbola nisy lehibe noho i Jôhany tamin’ny olombelona rehetra; kanefa lazaiko marina aminareo fa izay kely indrindra ao amin’ny Fanjakàn’ny lanitra dia lehibe noho izy.


Koa hizaha inona àry no nalehanareo tany? Mpaminany ve? Izany tokoa, hoy Aho aminareo, ary mihoatra noho ny mpaminany aza.


Gaga i Mosesy raha nisehoan’izany fahitana izany. Kanefa nony nanatona handinika akaiky kokoa izy, dia injao ny feon’ny Tompo nanao hoe:


Ny hany takîna amin’ny mpitantana dia ny ho hita fa olona mahatoky.


Mpaminany anankiray tahaka anao izao, mpaminany hipoitra avy amin’ny mpiray firenena aminy, no hatsangako ho azy; hataoko eo am-bavan’io mpaminany io ny teniko, ka izay rehetra hasaiko hambarany no holazainy amin’ireo mpiray firenena aminy.


Teo no nahafatesan’i Mosesy, ilay mpanompon’ny TOMPO, dia teo amin’ny tany Môaba araka ny tenin’ny TOMPO.


Fa raha tratra ela aho, ity taratasy ity dia misy hahafantaranao izay fitondrantena tokony hataonao ao amin’ny ankohonan’Andriamanitra, izany hoe ny Fiangonan’ilay Andriamanitra velona, ny Fiangonana izay mampijoro sy manamafy orina ny hafatra marim-pototra.


Taorian’ny nahafatesan’i Mosesy mpanompon’ny TOMPO, dia nitenenan’ny TOMPO i Josoa zanakalahin’i Nona sady mpanampy an’i Mosesy nataony hoe:


–Efa maty i Mosesy mpanompoko; koa mitsangàna ankehitriny ianao sy ireto vahoaka rehetra ireto ka mità ity renirano Jôrdàna ity mba hiditra ao amin’ny tany izay omeko ny Israelita.