Hataoko firenena lehibe ianao; hitahy anao Aho ka hampahalaza ny anaranao. Hanjary fitahiana ho an’ny hafa ianao.
Nomery 11:21 - DIEM PROTESTANTA Dia hoy i Mosesy hoe: –Ireo vahoaka manodidina ahy ireo dia ahitana miaramila mpandeha an-tongotra misy andiany eninjato, ka hoy Ianao hoe: «Homeko hena izy ka hihinana izany iray volana maninjitra!» Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Dia hoy i Mosesy: Miaramila enina hetsy ny firenena manodidina ahy, nefa hoy Ianao: Homeko hena izy mba hohaniny mandritra ny iray volana! Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Dia hoy i Mosesy hoe: –Ireo vahoaka manodidina ahy ireo dia ahitana miaramila mpandeha an-tongotra misy andiany eninjato, ka hoy Ianao hoe: «Homeko hena izy ka hihinana izany iray volana maninjitra!» Baiboly Katolika Hoy i Môizy: «Ny vahoaka manodidina ahy, dia enina hetsy ny lehilahy mandeha tongotra, ka lazainao hoe: Homeko hena izy ireo, sady hihinana izany iray volana maninjitra. Baiboly Protestanta Malagasy Dia hoy Mosesy: Ny olona izay itoerako dia lehilahy enina hetsy izay mahalia làlana; ary hoy Hianao: Homeko hena izy mba hohaniny mandritra ny iray volana. Malagasy Bible Dia hoy Mosesy: Ny olona izay itoerako dia lehilahy enina hetsy izay mahalia lalana; ary hoy ianao: Homeko hena izy mba hohaniny mandritra ny iray volana. La Bible en Malgache Dia hoy i Mosesy: Miaramila enina hetsy ny firenena manodidina ahy, nefa hoy Ianao: Homeko hena izy mba hohaniny mandritra ny iray volana! |
Hataoko firenena lehibe ianao; hitahy anao Aho ka hampahalaza ny anaranao. Hanjary fitahiana ho an’ny hafa ianao.
Niala avy tao an-tanàna Rahamsesa ny Israelita ka nizotra ho any Sokôta; lehilahy mahery misy andiany eninjato eo ho eo no isany, afa-tsy ny zaza amam-behivavy sy ny antitra.
Izany dia mitovy amin’ny dimy grama isan’olona ho an’ny 603 550 lahy izay roapolo taona no ho miakatra tamin’ny fanisana.
Aiza no hahitako hena homena ireo vahoaka rehetra ireo izay mitomany amiko hoe: «Omeo hena izahay hohaninay»?
fa iray volana maninjitra manda-pahafeno hatreny am-bavoronareo ka hampaharikoriko anareo. Ho sazinareo izany noho ny nandavanareo ny TOMPO Izay eo aminareo sy ny nitomanianareo teo anatrehany hoe: ‹Nahoana re no niala tany Ejipta izahay?› »
Fa na dia ny ondry aman’osy ary ny ombiny rehetra aza no hovonoina ho azy ireo, dia tsy ho ampy azy izany. Na ny trondro rehetra any an-dranomasina aza no haratoina ho azy ireo, dia mbola tsy ho ampy azy koa.
Ny vatan-dehilahy israelita voaisa araka ny foko sy araka ny toby nisy ireo tafika dia tafakatra 603 550 ny fitambarany.