Nomery 1:49 - DIEM PROTESTANTA «Aza isaina ny fokon’i Levỳ, ary aza anaovana fanisana miaraka amin’ny Israelita hafa izy. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ny fokon’ny levita ihany no aza isaina, aza mba alaina isa miaraka amin’ny Zanak’Israely izy ireo. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara «Aza isaina ny fokon’i Levỳ, ary aza anaovana fanisana miaraka amin’ny Israelita hafa izy. Baiboly Katolika «Aza mba isaina ny fokon’i Levỳ, ary aza mba alaina isa miaraka amin’ny zanak’i Israely izy. Baiboly Protestanta Malagasy Ny firenen’ny Levita ihany no aza alamina, ary aza mba alaina isa miaraka amin’ny Zanak’Isiraely; Malagasy Bible Ny firenen'ny Levita ihany no aza alamina, ary aza mba alaina isa miaraka amin'ny Zanak'Isiraely; La Bible en Malgache Ny fokon’ny levita* ihany no aza isaina, aza mba alaina isa miaraka amin’ny Zanak’Israely izy ireo. |
Ny Levita ihany no tsy natao fanisana niaraka tamin’ny Israelita hafa araka izay efa nandidian’ny TOMPO an’i Mosesy.
Ny fitambaran’ny lehilahy levita rehetra nihoatra ny iray volana dia 23 000. Tsy niara-natao fanisana tamin’ny Israelita izy, satria tsy mba nomena zaratany teo anivon’ny Israelita.