Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Nehemia 9:33 - DIEM PROTESTANTA

Mandala ny rariny Ianao tamin’izay rehetra nanjo anay; satria marina ny nataonao, fa izahay no nanao ratsy.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Ianao no marina tamin’izay rehetra nanjo anay, fa marina ny nataonao fa izahay no nanao ratsy;

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Mandala ny rariny Ianao tamin’izay rehetra nanjo anay; satria marina ny nataonao, fa izahay no nanao ratsy.

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

Marina Ianao tamin’izany rehetra nanjò anay izany, satria Ianao nanaraka ny marina, izahay kosa nanao ratsy;

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Hianao no marina tamin’izay rehetra nanjo anay, fa marina ny nataonao; fa izahay no nanao ratsy;

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Hianao no marina tamin'izay rehetra nanjo anay, fa marina ny nataonao; fa izahay no nanao ratsy;

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Ianao no marina tamin’izay rehetra nanjo anay, fa marina ny nataonao fa izahay no nanao ratsy;

Jereo ny toko



Nehemia 9:33
16 Rohy Ifampitohizana  

Tsia, sanatria aminao ny hanao izany! Raha hovonoinao miaraka amin’ny meloka ny marina, dia hitovy ny marina sy ny meloka. Sanatria Anao izany! Ianao Izay mpitsara ny tany tontolo ve no tsy hitandro ny rariny.


Ry TOMPO Andriamanitr’i Israely ô, miantra Ianao ka mbola misy sisa afaka ihany izahay amin’izao anio izao; indreto izahay vesaran’ny fahotanay eto anatrehanao, na dia tsy tokony hisy hahajanona eto anatrehanao aza noho izany.»


Ny mpanjakanay sy mpanapaka anay ary ny mpisoronay sy ny razanay dia samy tsy nanatanteraka ny lalànao, ary tsy niraharaha ny didinao sy ny fananarana nataonao taminy.


Fo mahatoky anao no hitanao taminy, ka nanaovanao fanekempihavanana izy fa homenao ho azy sy ho an’ny taranany ny tanin’ny Kanahanita sy ny Hitita, ary ny Amôrita mbamin’ny Perizita sy ny Jebosita ary ny Girgasita; ary efa notanterahinao ny teninao, satria marina Ianao.


Hihira izy ka hilaza amin’ny besinimaro hoe: «Efa nanota aho fa nandika ny rariny; nefa tsy arakaraka ny nataoko no namaizan’Andriamanitra ahy.


Andriamanitra tsy mila manao famotorana olona izay tonga eo anatrehany mba hotsarainy.


Efa nanota toy ny razanay izahay, eny, efa nivoana sy nanao ratsy.


Mandala ny rariny Ianao, TOMPO ô, ary mahitsy ny fitsipikao.


Marina amin’ny lalany rehetra ny TOMPO ary be fitiavana amin’ny asany rehetra.


Dia niverina tany amin’ny Tompo i Mosesy ka nanao hoe: –Indrisy, TOMPO ô! Efa nanao heloka bevava ity vahoaka ity fa nanao andriamani-bolamena.


TOMPO ô, mpandala ny rariny Ianao ka tsy tokony mifandahatra aminao aho. Nefa ny amin’ireto toe-javatra ireto dia te hiady hevitra aminao aho. Nahoana no ahitam-pahombiazana ny lalana ombàn’ny olon-dratsy? Ary nahoana no miadam-pinaritra ireo rehetra mpivadika aminao?


satria nampahasosotra Ahy ny mponina tao tamin’ireo ratsy nataony, fa nandeha nanao sorona sy nanompo ireo andriamani-kafa izay tsy misy ifandraisana aminy na aminareo na amin’ny razanareo akory izy.


Rariny ny nataon’ny TOMPO, satria efa nanohitra ny baikony aho. Mihainoa tsara, rey olona rehetra eto ka jereo ny fijaliako: ny tovovaviko sy ny tovolahiko dia samy lasa ho any an-tsesitany.


Amin’izay dia hoekenareo fa Izaho no TOMPO Izay tsy nankatoavinareo lalàna sy tsy narahinareo fitsipika, satria nanaraka ny fomban’ireo firenena nanodidina ianareo.»