Koa notahîn’Andriamanitra sady natokany ny andro fahafito satria io no nitsaharany tamin’ny asany rehetra maha mpahary Azy.
Nehemia 9:14 - DIEM PROTESTANTA Tamin’ny alalan’i Mosesy mpanomponao no nampahalalanao azy ny Sabata izay andro voatokana ho Anao sy nanoloranao azy didy sy fepetra ary lalàna. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Nampahalala azy ny Sabatanao masina Ianao ary i Mosesy mpanomponao dia nampilazainao didy sy fomba ary lalàna taminy; Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Tamin’ny alalan’i Mosesy mpanomponao no nampahalalanao azy ny Sabata izay andro voatokana ho Anao sy nanoloranao azy didy sy fepetra ary lalàna. Baiboly Katolika Nampahalalainao ny sabatanao masina izy, ary nomenao didy, fitsipika aman-dalàna hotandremana izy, tamin’ny alalan’i Môizy mpanomponao. Baiboly Protestanta Malagasy Ary nampahalala azy ny Sabatanao masina Hianao, ary Mosesy mpanomponao nampilazainao didy sy fomba ary lalàna taminy; Malagasy Bible Ary nampahalala azy ny Sabatanao masina Hianao, ary Mosesy mpanomponao nampilazainao didy sy fomba ary lalàna taminy; La Bible en Malgache Nampahalala azy ny Sabatanao masina Ianao ary i Mosesy mpanomponao dia nampilazainao didy sy fomba ary lalàna taminy; |
Koa notahîn’Andriamanitra sady natokany ny andro fahafito satria io no nitsaharany tamin’ny asany rehetra maha mpahary Azy.
Tsarovy ilay teny nasainao nolazain’i Mosesy mpanomponao hoe: «Raha manao izay mahadiso ianareo, dia haeliko any amin’ny firenen-kafa;
Raha misy vary na entana hafa amidin’ny valovotaka amin’ny andro sabata na amin’ny andro fety, dia tsy hovidinay; ary, isaky ny taona fahafito, dia tsy hambolenay ny tany sady hafoinay ny trosa rehetra.
ka hoy i Mosesy hoe: –Izany indrindra no nandidian’ny TOMPO anareo. Rahampitso dia sabata, andro fitsaharana voatokana ho an’ny TOMPO; koa andrahoy izay tokony handrahoina, ary ampangotrahy izay tokony hampangotrahina, fa ny ambiny kosa dia tehirizo ho tra-maraina.
Fantaro tsara fa ny nanomezako anareo ny sabata dia ny mba hitsaharanareo. Izany no antony anomezako mofo sahaza ny indroa andro amin’ny andro fahenina; ka amin’ny andro fahafito dia samia mitoetra ao an-tranony avy, fa aoka tsy hisy olona hiala tao.
Hoy ny TOMPO tamin’i Mosesy: –Miakara etỳ akaikiko etỳ an-tendrombohitra, ary mijanòna eo. Homeko anao ny vatofisaka izay nanoratako ny didy aman-dalàna mba hampianarinao ny Israelita.
Nomeko azy ny lalànako ary nampahafantariko azy ny fitsipiko, izay mahavelona ny olona manatanteraka ireny.
Nomeko azy koa ny andro sabatako mba ho mariky ny fifandraisany amiko sy mba hiekeny fa Izaho TOMPO no nanokana azy Israelita ho Ahy.
Atokany ho Ahy ny andro sabatako mba ho mariky ny fifandraisanareo amiko ary mba hiekenareo fa Izaho no TOMPO Andriamanitrareo.›
«Samia manaja ny ray aman-dreninareo, ary tandremo ny sabata nodidiako hitsaharana. Izaho no TOMPO Andriamanitrareo.
Ireo no didy nampitain’ny TOMPO tamin’i Mosesy ho an’ny Israelita, teo an-tendrombohitra Sinay.
satria ny lalàna dia nomen’Andriamanitra tamin’ny alalan’i Mosesy, fa ny fahasoavana sy ny fahamarinana kosa dia tonga tamin’ny alalan’i Jesoa Kristy.
Ireto no baiko sy lalàna amam-pitsipika izay nambaran’i Mosesy taminy, fony ireo tafavoaka an’i Ejipta
«Araka izay nandidian’ny TOMPO Andriamanitro ahy, indro ianareo efa nampianariko lalàna amam-pitsipika hotanterahinareo any amin’ny tany izay efa hidiranareo mba halainareo ho fananana.»
Fa ianao kosa, mijanona eto anilako ka holazaiko aminao ny didy sy lalàna amam-pitsipika rehetra izay hampianarinao azy mba hotanterahiny any amin’ny tany omeko azy ho fananany.»