Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Nehemia 7:3 - DIEM PROTESTANTA

Ka hoy aho tamin’ireo: –Aza avela hovohana ny vavahadin’i Jerosalema mandra-pahafanan’ny andro; ary ny hariva, dieny mbola eo ny mpiambina no aoka hanidiana ny vavahady sy hametrahana ny barany. Aoka hanendrena mpiambina avy amin’ny mponina eto Jerosalema ka samy hatao amin’ny anjara toerany sy tandrifin’ny tranony avy.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Koa hoy aho tamin’ireo: Aza avela hovohana ny vavahadin’i Jerosalema mandra-pahafanan’ny andro; ary raha mbola mijanona eo ny mpiambina dia aoka harindriny ny varavarana ka hidionareo; ary manendre mpiambina avy amin’izay monina ato Jerosalema ihany samy ho eo amin’ny fiambenany avy, dia samy ho eo amin’ny tandrifin’ny tranony avy.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Ka hoy aho tamin’ireo: –Aza avela hovohana ny vavahadin’i Jerosalema mandra-pahafanan’ny andro; ary ny hariva, dieny mbola eo ny mpiambina no aoka hanidiana ny vavahady sy hametrahana ny barany. Aoka hanendrena mpiambina avy amin’ny mponina eto Jerosalema ka samy hatao amin’ny anjara toerany sy tandrifin’ny tranony avy.

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

Dia hoy aho tamin’izy ireo: «Aza vohaina ny vavahadin’i Jerosalema mandra-pahatongan’ny hafanan’ny masoandro, ary ny hariva dia ny mbola eo ny mpiambina no hanidiana ny vavahady sy hametrahana ny barany, ary amin’ny alina, dia hanendrena mpiambina ny mponina eto Jerosalema samy hatao amin’ny anjara toerany ny tandrifin’ny tranony avy.»

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Koa hoy izaho tamin’ireo: Aza avela hovohana ny vavahadin’i Jerosalema mandra-pahafanan’ny andro; ary raha mbola mijanona eo ny mpiambina, dia aoka harindriny ny varavarana, ka hidionareo; ary manendre mpiambina avy amin’izay monina ato Jerosalema ihany samy ho eo amin’ny fiambenany avy, dia samy ho eo amin’ny tandrifin’ny tranony avy.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Koa hoy izaho tamin'ireo: Aza avela hovohana ny vavahadin'i Jerosalema mandra-pahafanan'ny andro; ary raha mbola milanona eo ny mpiambina, dia aoka harindriny ny varavarana, ka hidionareo; ary manendre mpiambina avy amin'izay monina ato Jerosalema ihany samy ho eo amin'ny fiambenany avy, dia samy ho eo amin'ny tandrifin'ny tranony avy.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Koa hoy aho tamin’ireo: Aza avela hovohana ny vavahadin’i Jerosalema mandra-pahafanan’ny andro; ary raha mbola mijanona eo ny mpiambina dia aoka harindriny ny varavarana ka hidionareo; ary manendre mpiambina avy amin’izay monina ato Jerosalema ihany samy ho eo amin’ny fiambenany avy, dia samy ho eo amin’ny tandrifin’ny tranony avy.

Jereo ny toko



Nehemia 7:3
8 Rohy Ifampitohizana  

Taorian’izany, raha vao maizimaizina teo amin’ny vavahadin’i Jerosalema alohan’ny sabata, dia nasaiko nohidiana ny vavahady ka tsy navelako hovohana raha tsy efa tapitra ny sabata; ary notendreko ny zatovo sasany mpiara-miasa amiko hiambina teo am-bavahady mba tsy hampidirana entana amin’ny andro sabata.


Teo ankilan’ireo dia i Benjamîna sy i Hasoba no namboatra laniny tandrifin’ny tranony ihany; ary nanarakaraka azy dia nisy namboarin’i Hazarià zanakalahin’i Mahaseià sy zafin’i Hananià, ny teo anilan’ny tranony.


Notendreko hitantana an’i Jerosalema i Hanany rahalahiko sy i Hananià, lehiben’ny tranomimanda, izay lehilahy mahatoky sady matahotra an’Andriamanitra mihoatra noho ny maro.


Malalaka sy lehibe ny tanànan’i Jerosalema, nefa vitsy mponina sady tsy mbola voaorina indray ny trano.


Hira fiakarana. Natao ho an’i Salômôna. Raha tsy ny TOMPO no manorina ny trano, dia miasa foana ny mpanorina azy. Raha tsy ny TOMPO no miambina ny tanàna, dia mitily foana ny mpiambina.


Izy no manamafy ny hidim-bavahadinao, mitahy ny zanakao ao anatinao,


–Indro Aho maniraka anareo ho tahaka ny ondry eo afovoan’ny amboadia. Noho izany, aoka ho malina tahaka ny bibilava ianareo, ary aoka ho tsotra tahaka ny voromahailala.