Fa mba tsarovy aho rehefa hambinina ianao, anehoy hatsaram-po ka mba resaho amin’ny Farao hamoahanao ahy hiala amin’ity tranomaizina ity.
Nehemia 5:19 - DIEM PROTESTANTA «Mba tsarovy hanasoavana ahy, ry Andriamanitra ô, izay rehetra nataoko ho an’ity firenena ity!» Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Tsarovy aho ka hasoavy, ry Andriamanitro ô, araka izay rehetra nataoko ho an’ity firenena ity! Dikateny Iombonana Eto Madagasikara «Mba tsarovy hanasoavana ahy, ry Andriamanitra ô, izay rehetra nataoko ho an’ity firenena ity!» Baiboly Katolika «Tsarovy, ry Andriamanitro ô, ka hahazoako sitraka anie izay rehetra nataoko ho an’izany vahoaka izany.» Baiboly Protestanta Malagasy Tsarovy aho ka hasoavy, ry Andriamanitro ô, araka izay rehetra nataoko ho an’ity firenena ity. Malagasy Bible Tsarovy aho ka hasoavy, ry Andriamanitro ô, araka izay rehetra nataoko ho an'ity firenena ity. La Bible en Malgache Tsarovy aho ka hasoavy, ry Andriamanitro ô, araka izay rehetra nataoko ho an’ity firenena ity! |
Fa mba tsarovy aho rehefa hambinina ianao, anehoy hatsaram-po ka mba resaho amin’ny Farao hamoahanao ahy hiala amin’ity tranomaizina ity.
ary nanao hoe –TOMPO ô, tsarovy fa nitondra tena tamim-pahamarinana sy tamim-kitsimpo teo anatrehanao aho ary nanao izay tsara eo imasonao. Dia nitomany nanao ranomaso havozona i Hezekià.
«Tsarovy aho noho izany, ry Andriamanitra ô! Ka aza kosehina ny soa vitako momba ny tranonao sy momba ny fanompoam-pivavahana.»
Ary nasaiko nidio tena ny levita ka ho avy hiambina eo am-bavahady, mba hanokanana ny andro sabata ho an’Andriamanitra. «Tsarovy aho noho izany koa, ry Andriamanitro ô; ary iantrao aho fa be indrafo ianao!»
Naveriko tamin’ny laoniny ihany koa ny fanaterana kitay araka ny fotoanandro voatondro sy ny fanaterana voaloham-bokatra. «Tsarovy aho ka hasoavy, ry Andriamanitro ô!»
TOMPO ô, mba tsarovy aho, rehefa anehoanao fitia ny vahoakanao; mba tolory famonjena aho, rehefa mamonjy azy Ianao.
Izay rehetra mitady Anao kosa anie hifaly sy hiravoravo amin’ny nataonao; ary izay olona mpitia Anao Mpamonjy anie hivolan-dava hoe: «Lehibe tokoa ny TOMPO!»
Izaho manko no mahalala ny hevitra omaniko ho anareo, dia hevitra hahatonga fiadanana fa tsy loza. Teny hentitra avy amiko TOMPO izany. Hoavy azo antoka no homeko anareo.
ary lazaiko marina aminareo fa na iza na iza hanome rano mangatsiaka, na eran’ny kaopy ihany aza, hosotroin’ny anankiray amin’ireo mpianatro madinika ireo noho izy mpianatro, dia tsy ho diso valisoa.
Ary na iza na iza manome rano eran’ny kaopy hosotroinareo noho ny maha an’i Kristy anareo, dia lazaiko marina aminareo fa tsy ho diso valisoa.