Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Matio 10:42 - DIEM PROTESTANTA

42 ary lazaiko marina aminareo fa na iza na iza hanome rano mangatsiaka, na eran’ny kaopy ihany aza, hosotroin’ny anankiray amin’ireo mpianatro madinika ireo noho izy mpianatro, dia tsy ho diso valisoa.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

42 Ary na zovy na zovy no manome rano mangatsiaka na dia eran’ny kaopy ihany aza hosotroin’ny iray amin’ireo madinika ireo, satria mpianatra izy, dia lazaiko aminareo marina tokoa fa tsy ho very ny valim-pitiany.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

42 ary lazaiko marina aminareo fa na iza na iza hanome rano mangatsiaka, na eran’ny kaopy ihany aza, hosotroin’ny anankiray amin’ireo mpianatro madinika ireo noho izy mpianatro, dia tsy ho diso valisoa.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

42 ary na iza na iza hanome rano mangatsiaka na dia eran’ny kapoaka monja aza hosotroin’ny anankiray amin’ireo madinika indrindra ireo, noho izy mpianatro, dia lazaiko marina aminareo fa tsy ho very valisoa izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

42 Ary na zovy na zovy no manome rano mangatsiaka na dia eran’ny kapoaka ihany aza hosotroin’ny anankiray amin’ireo madinika ireo, satria mpianatra izy, dia lazaiko aminareo marina tokoa fa tsy ho very ny valim-pitiany.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

42 Ary na zovy na zovy no manome rano mangatsiaka na dia eran'ny kapoaka ihany aza hosotroin'ny anankiray amin'ireo madinika ireo, satria mpianatra izy, dia lazaiko aminareo marina tokoa fa tsy ho very ny valim-pitiany.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

42 Ary na zovy na zovy no manome rano mangatsiaka na dia eran’ny kaopy ihany aza hosotroin’ny iray amin’ireo madinika ireo, satria mpianatra izy, dia lazaiko aminareo marina tokoa fa tsy ho very ny valim-pitiany.

Jereo ny toko dika mitovy




Matio 10:42
21 Rohy Ifampitohizana  

Dia lasa naka ravehivavy, nefa mbola nantsoin’i Elià indray izy nataony hoe: –Azafady, mba itondray mofo ihany koa aho.


Tokony hanaovantsika efitrano kely ao ambony tafo marin-tampona ao ka hasiantsika farafara sy latabatra sy seza ary fitoeran-jiro ho azy. Ao no hipetrahany isaky ny mandalo eto amintsika.


Izay manome ny mahantra dia mampisambotra ny TOMPO, fa Izy ihany no hanonitra ny soa nataon’ilay mpiantra.


Aoka ho fantatrao fa toy izany koa ny hatsàran’ny fahendrena ho anao. Koa raha anananao izany, dia hisy ny hoavy handrandrainao ary tsy ho foana ny fanantenànao.


Atsipazo eny ambony rano ny mofonao, fa ho hitanao ihany izy indray andro any.


Dia hoy ny teny hentitry ny Tompon’izao rehetra izao hoe: «Ry sabatra, mifohaza hamely ity mpiandry sady lehilahy namako ity Asio ny mpiandry, dia hiparitaka ny ondry; ary hiverina hamely hatramin’ny madinika Aho.»


–Tandremo fandrao ataonareo tsinontsinona na dia ny anankiray amin’itony madinika itony aza. Eny, lazaiko aminareo fa ny anjelin’izy ireny, any an-danitra, dia manatrika lalandava ny Raiko Izay any an-danitra.


Toy izany koa, tsy sitraky ny Rainareo Izay any an-danitra hisy very na dia ny anankiray amin’itony madinika itony aza!


Dia hovalian’ny Mpanjaka hoe: «Lazaiko marina aminareo fa araka izay nataonareo tamin’ny anankiray amin’ireto havako madinika indrindra ireto no nataonareo tamiko.»


Aleo izy anantonana vatobe fikoseham-bary eo amin’ny vozony ka atsipy any an-dranomasina mba tsy hitarika ny anankiray amin’ireny madinika ireny hanao ratsy.


Fa ianareo kosa, tiavo ny fahavalonareo, manasoava azy ary mampisambora tsy manantena valiny, dia ho lehibe ny valisoa miandry anareo; ary ianareo ho zanaky ny Avo indrindra, dia Ilay mora fo amin’ny tsy mahay mankasitraka sy ny ratsy fanahy.


Fa raha misy ny risi-po hanome, dia ny manome araka izay ananana ihany no ankasitrahin’Andriamanitra, fa tsy hoe ny manome araka izay tsy ananana.


Fa tsy manao ny tsy rariny Andriamanitra: tsy hohadinoiny akory ny asanareo sy ny fitiavanareo Azy nasehonareo tamin’ny nanompoanareo sady mbola anompoanareo ny kristianina havanareo.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra