Nehemia 3:31 - DIEM PROTESTANTA Teo ankilan’io, i Malkià isan’ny mpanefy volamena dia namboatra laniny tafapaka amin’ny tranon’ireo mpanampy ny levita sy ny tranon’ireo mpivarotra, izany hoe eo anoloan’ny vavahady Mifikada, ka miafara amin’ny trano fitiliana teo amin’ny zoron’ny manda. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Teo anilan’io dia nanamboatra koa i Malkia izay isan’ny mpanefy volamena, hatreo amin’ny tranon’ny Netinima sy ny mpanao varo-mandeha, dia ny teo amin’ny tandrifin’ny vavahady Mifikada ka hatrany amin’ny trano ambony teo an-jorony. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Teo ankilan’io, i Malkià isan’ny mpanefy volamena dia namboatra laniny tafapaka amin’ny tranon’ireo mpanampy ny levita sy ny tranon’ireo mpivarotra, izany hoe eo anoloan’ny vavahady Mifikada, ka miafara amin’ny trano fitiliana teo amin’ny zoron’ny manda. Baiboly Katolika Manarakaraka azy, i Melkiasa isan’ny fikambanan’ny mpanefy volamena, nanamboatra hatreo amin’ny tranon’ny Natineanina sy ny mpivarotra, teo anoloan’ny vavahadin’i Mifkada ka hatreo amin’ny trano ambony eo an-jorony. Baiboly Protestanta Malagasy Manarakaraka io dia namboatra koa Malkia, isan’ny mpanefy volamena, hatramin’ny tranon’ny Netinima sy ny mpandranto, dia ny teo amin’ny tandrifin’ ny vavahady Mifikada ka hatramin’ny trano ambony teo an-jorony. Malagasy Bible Manarakaraka io dia namboatra koa Malkia, isan'ny mpanefy volamena, hatramin'ny tranon'ny Netinima sy ny mpandranto, dia ny teo amin'ny tandrifin'ny vavahady Mifikada ka hatramin'ny trano ambony teo an-jorony. La Bible en Malgache Teo anilan’io dia nanamboatra koa i Malkia izay isan’ny mpanefy volamena, hatreo amin’ny tranon’ny Netinima sy ny mpanao varo-mandeha, dia ny teo amin’ny tandrifin’ny vavahady Mifikada ka hatrany amin’ny trano ambony teo an-jorony. |
Nanarakaraka an’i Semahià, dia namboatra laniny hafa i Hananià, zanakalahin’i Selemià, sy i Hanona, fahenin’ny zanakalahin’i Tsalafa; nanarakaraka azy roa lahy, dia i Mesolama zanak’i Berekià no namboatra tandrifin’ny efitranony.
Ary ny mpanefy volamena sy ny mpivarotra no namboatra ny laniny teo anelanelan’ny trano fitiliana sy ny vavahadin’ny Ondry.
Teo an-kilan’ireo no namboatra koa i Hoziela, zanakalahin’i Harahaià sady isan’ny mpanefy volamena, ary nanarakaraka azy i Hananià isan’ny mpanao zava-manitra: tafapaka amin’ny manda malalaka ny asa nanamafisan’izy roa lahy an’i Jerosalema.