Ny taranak’i Hananià dia i Pelatià sy i Jesahià mbamin’ireo zanakalahin-dry i Refaià sy i Arnàna ary i Hôbadià sy i Sekanià.
Nehemia 3:29 - DIEM PROTESTANTA Teo ankilan’ireo dia namboatra ny laniny tandrifin’ny tranony koa i Tsadôka zanakalahin’i Imera; nanarakaraka azy dia i Semahià zanakalahin’i Sekanià sady mpiandry ny vavahady atsinanana no namboatra ny manda. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Teo anilan’ireo dia nanamboatra koa i Zadoka, zanak’Imera, dia ny teo amin’ny tandrifin’ny tranony ihany. Teo anilan’io dia nanamboatra koa i Semaia, zanak’i Sekania, mpiandry ny vavahady atsinanana. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Teo ankilan’ireo dia namboatra ny laniny tandrifin’ny tranony koa i Tsadôka zanakalahin’i Imera; nanarakaraka azy dia i Semahià zanakalahin’i Sekanià sady mpiandry ny vavahady atsinanana no namboatra ny manda. Baiboly Katolika Manarakaraka azy, i Sadôka zanak’i Emera nanamboatra ny teo anoloan’ny tranony; manarakaraka azy, nanamboatra i Semeiàsa zanak’i Sikemiasa mpiandry ny vavahady atsinanana amin’ny tempoly. Baiboly Protestanta Malagasy Manarakaraka ireo dia namboatra koa Zadoka, zanak’Imera, dia ny teo amin’ny tandrifin’ny tranony ihany. Ary manarakaraka io dia namboatra koa Semaia, zanak’i Sekania, mpiandry ny vavahady atsinanana. Malagasy Bible Manarakaraka ireo dia namboatra koa Zadoka, zanak'Imera, dia ny teo amin'ny tandrifin'ny. tranony ihany. Ary manarakaraka io dia namboatra koa Semaia, zanak'i Sekania, mpiandry ny vavahady atsinanana. La Bible en Malgache Teo anilan’ireo dia nanamboatra koa i Zadoka, zanak’Imera, dia ny teo amin’ny tandrifin’ny tranony ihany. Teo anilan’io dia nanamboatra koa i Semaia, zanak’i Sekania, mpiandry ny vavahady atsinanana. |
Ny taranak’i Hananià dia i Pelatià sy i Jesahià mbamin’ireo zanakalahin-dry i Refaià sy i Arnàna ary i Hôbadià sy i Sekanià.
Tamin’izany no niteny i Sekanià, zanakalahin’i Jehiela sady anisan’ny taranak’i Helama, ka nanao tamin’i Hezrà hoe: –Efa nanao izay mahadiso amin’Ilay Andriamanitsika izahay, satria naka vehivavy hafa firenena anisan’ireo mponin’ity tany ity ho vadinay; nefa na izany aza, dia mbola misy fanantenana ihany ho an’i Israely.
Manomboka eo amin’ny vavahadin-tsoavaly, dia samy namboatra ny manda tandrifin’ny tranony avy ny mpisorona.
Nanarakaraka an’i Semahià, dia namboatra laniny hafa i Hananià, zanakalahin’i Selemià, sy i Hanona, fahenin’ny zanakalahin’i Tsalafa; nanarakaraka azy roa lahy, dia i Mesolama zanak’i Berekià no namboatra tandrifin’ny efitranony.
Avy eo dia mivoaha mankany amin’ny lohasahan’i Bena-Hinôma, izay eo anoloan’ny vavahadin’ny vakim-bilany ary any no torio ny hafatra hambarako anao,