Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Nehemia 3:20 - DIEM PROTESTANTA

Nanarakaraka azy dia i Baraka, zanakalahin’i Zabay, no nazoto namboatra laniny hafa manomboka eo amin’ny zoro ka miafara amin’ny varavaran’ny tranon’i Eliasiba mpisorombe;

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Teo anilan’io koa i Baroka zanak’i Zabay dia nazoto nanamboatra ny ampahany hatreo amin’ny fiolahana ka hatreny amin’ny varavaran’ny tranon’i Eliasiba mpisoronabe.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Nanarakaraka azy dia i Baraka, zanakalahin’i Zabay, no nazoto namboatra laniny hafa manomboka eo amin’ny zoro ka miafara amin’ny varavaran’ny tranon’i Eliasiba mpisorombe;

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

Nanarakaraka azy dia i Baròka zanak’i Zakaì, no nanamboatra tamin-kavitrihana ny ilany anankiray, hatreo amin’ny zoro ka hatreo amin’ny varavaran’ny tranon’i Eliasiba, mpisorona lehibe.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Manarakaraka io koa dia Baroka, zanak’i Zabay, no nazoto namboatra ny sasany hatramin’ny fiolahana ka hatramin’ny varavaran’ny tranon’i Eliasiba mpisoronabe.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Manarakaraka io koa dia Baroka, zanak'i Zabay, no nazoto namboatra ny sasany hatramin'ny fiolahana ka hatramin'ny varavaran'ny tranon'i Eliasiba mpisoronabe.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Teo anilan’io koa i Baroka zanak’i Zabay dia nazoto nanamboatra ny ampahany hatreo amin’ny fiolahana ka hatreny amin’ny varavaran’ny tranon’i Eliasiba mpisoronabe.

Jereo ny toko



Nehemia 3:20
9 Rohy Ifampitohizana  

tamin’ny taranak’i Bebay dia ry i Jôhanàna sy i Hananià ary i Zabay sy i Hatlay;


i Harima sy i Meremôta ary i Hôbadià,


Ny anankiray tamin’ny zanakalahin’i Jôiadà sady zafin’i Eliasiba mpisorombe dia vinantolahin’i Sanebalato ilay Hôrônita, ka dia noroahiko niala tao Jerosalema.


Talohan’izany i Eliasiba mpisorona no voatendry ho mpiandraikitra ny efitrano fanampiny ao an-tranon’Andriamanitra. Noho izy mpihavana akaiky tamin’i Tôbià,


Dia nanomboka asa i Eliasiba mpisorombe mbamin’ireo mpisorona namany, ka niara-namboatra ny vavahadin’ny Ondry; dia nanamasina izany ry zareo, vao nandatsaka ny lela-vavahadiny. Ary nohamasininy koa ny manda hatrany amin’ny tilikambon’ny Zatolahy sy ny tilikambo Hananela.


ary teo ankilan’io i Meremôta, zanakalahin’i Orià sy zafin’i Hakôtsa, dia namboatra laniny hafa manomboka eo amin’ny varavaran’ny tranon’i Eliasiba ka tafapaka amin’ny faran’ny tranon’i Eliasiba.


Ampiasao ny herinao hanatanterahanao izay rehetra azonao atao, fa any amin’ny toeran’ny maty izay halehanao tsy mba misy asa na famoronan-javatra na fahalalana na fahendrena.


Mazotoa fa aza malaina. Aoka hafana fo amin’ny fanompoana ny Tompo.