Ary ankehitriny, mahereza sy matanjaha; fa efa maty i Saoly tomponareo, ka izaho no natokan’ny vahoakan’i Joda ho mpanjaka eo aminy.»
Nehemia 2:18 - DIEM PROTESTANTA Dia nambarako azy ny fiarovana nanambinan’Andriamanitra ahy ary koa ny teny nolazain’ny amperôra tamiko; ka hoy ireo hoe: –Ndao àry isika hanorina ny tanàna! Dia nivonon-kanao izany asa soa izany tamin-kerimpo ry zareo. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Dia nambarako azy ny tanan’Andriamanitro izay nahasoa ahy sy ny tenin’ny mpanjaka izay nolazainy tamiko koa. Ary hoy izy ireo: Eny, aoka ary isika hitsangana ka handrafitra azy! Dia nampahery ny tanany hanao izany soa izany izy ireo. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Dia nambarako azy ny fiarovana nanambinan’Andriamanitra ahy ary koa ny teny nolazain’ny amperôra tamiko; ka hoy ireo hoe: –Ndao àry isika hanorina ny tanàna! Dia nivonon-kanao izany asa soa izany tamin-kerimpo ry zareo. Baiboly Katolika Dia notantaraiko tamin’izy ireo ny nomban’ny tanana manambin’Andriamanitra ahy, mbamin’ny teny nolazain’ny mpanjaka tamiko, ka hoy izy ireo namaly: «Mitsangàna ary isika, hanorina.» Dia rafitra nanao izany asa izany tamin-kerim-po tokoa izy ireo. Baiboly Protestanta Malagasy Dia nambarako azy ny tànan’Andriamanitro izay nahasoa ahy, ary ny tenin’ny mpanjaka koa izay nolazainy tamiko. Ary hoy izy: Eny, aoka ary isika hitsangana ka handrafitra azy. Koa dia nampahery ny tànany hanao izany soa izany izy. Malagasy Bible Dia nambarako azy ny tànan'Andriamanitro izay nahasoa ahy, ary ny tenin'ny mpanjaka koa izay nolazainy tamiko. Ary hoy izy: Eny, aoka ary isika hitsangana ka handrafitra azy. Koa dia nampahery ny tànany hanao izany soa izany izy. La Bible en Malgache Dia nambarako azy ny tanan’Andriamanitro izay nahasoa ahy sy ny tenin’ny mpanjaka izay nolazainy tamiko koa. Ary hoy izy ireo: Eny, aoka ary isika hitsangana ka handrafitra azy! Dia nampahery ny tanany hanao izany soa izany izy ireo. |
Ary ankehitriny, mahereza sy matanjaha; fa efa maty i Saoly tomponareo, ka izaho no natokan’ny vahoakan’i Joda ho mpanjaka eo aminy.»
Ireto no filohan’ireo kalazan’i Davida, dia ireo kalaza nifikitra taminy nandritra ny nanjakany, ka efa niaraka tamin’i Israely lafy valo mba hampanjaka azy teo amin’i Israely araka ny tenin’ny TOMPO.
Mahereza ianao ary aoka isika hahery miady ho an’ny firenentsika sy ireo tanànan’Andriamanitsika. Ary aoka ny TOMPO no hanao izay heveriny ho tsara!
Nentanin-kerimpo hatrany i Hezekià ka nampanamboatra izay rehetra rava tamin’ny manda sady nampanisy tilikambo teny amboniny sy manda hafa koa teo ivelany; nampanamafisiny ny toerana Milao tao an-Tanànan’i Davida ary lefona aman’ampinga betsaka no nampanefeny.
Tamim-pifaliana no nanaovan’ireo Israelita ny fankalazana ny mofo tsy misy leviora nandritra ny fito andro. Fa nampifaly azy tokoa ny TOMPO noho Izy nampiova ny amperôra hamindrafo amin’ny Israelita; izany rahateo no nampahery azy tamin’ny asa momba ny tranon’Andriamanitra, dia Ilay Andriamanitr’i Israely.
Aoka hisy taratasy homena ahy koa ho an’i Asafa mpiandraikitra ny alam-panjakana mba hanomezany hazo ahy hatao amin’ny varavaran’ny trano fiarovana manolotra ny tempoly sy amin’ny mandan’ny tanàna ary amin’ny trano hitoerako. Dia nomen’ny amperôra ahy ireo taratasy ireo, araka ny fiarovana nanambinan’Andriamanitra ahy.
Farany, noho ianareo tafaray amin’ny Tompo dia matanjaha ombàn’ny heriny tsy hay tohaina.
satria miasa ao anatinareo hatrany Andriamanitra hahatonga anareo hikasa sy hahatanteraka izay mifanaraka amin’ny safidim-pony.
Ary i Jônatàna zanakalahin’i Saoly nankany amin’i Davida any Hôresa ka nankahery azy tamin’ny anaran’Andriamanitra.