Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Nehemia 13:30 - DIEM PROTESTANTA

Toy izany no nanadiovako ny Jiosy ho afaka tamin’ny olona hafa firenena rehetra sy namerenako tamin’ny laoniny indray ny fandaharana momba ny mpisorona sy ny levita mba samy ho amin’ny anjara raharahany avy.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Toy izany no nanadiovako azy ho afaka tamin’ny olona hafa firenena rehetra sy nanendreko ny anjara raharahan’ny mpisorona sy ny levita samy ho amin’ny raharahany avy

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Toy izany no nanadiovako ny Jiosy ho afaka tamin’ny olona hafa firenena rehetra sy namerenako tamin’ny laoniny indray ny fandaharana momba ny mpisorona sy ny levita mba samy ho amin’ny anjara raharahany avy.

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

Dia voadioko ho afaka amin’ny hafa firenena rehetra izy ireo, ary novelomiko indray ny lalàna momba ny mpisorona sy ny Levita, samy amin’ny raharahany avy, mbamin’ny momba ny fanaterana kitay hazo ara-potoana voafetra, ary ny amin’ny voaloham-bokatra. Tsarovy izany hanasoavana ahy, ry Andriamanitra ô, mba ho soa ho ahy!

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Toy izany no nanadiovako azy ho afaka tamin’ny olona hafa firenena rehetra, sy nanendreko ny anjara-raharahan’ny mpisorona sy ny Levita samy ho amin’ny raharahany avy,

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Toy izany no nanadiovako azy ho afaka amin'ny tamin'ny olona hafa firenena rehetra, sy nanendreko ny anjara-raharahan'ny mpisorona sy ny Levita samy ho amin'ny raharahany avy,

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Toy izany no nanadiovako azy ho afaka tamin’ny olona hafa firenena rehetra sy nanendreko ny anjara raharahan’ny mpisorona sy ny levita samy ho amin’ny raharahany avy

Jereo ny toko



Nehemia 13:30
5 Rohy Ifampitohizana  

Fa ny aminay kosa, dia ny TOMPO no Andriamanitray, ka tsy mba nandao Azy izahay. Ny mpisorona izay manao fanompoam-pivavahana ho an’ny TOMPO dia ny taranak’i Aharôna; ary ny levita koa manana ny anjara raharahany.


eny, ny olona sisa dia samy nikambana tsara tamin’ireo Israelita manan-kaja ireo; ka nianiana mafy izy rehetra hanaraka ny lalàna izay nampitain’Andriamanitra tamin’ny alalan’i Mosesy mpanompony, ary hitandrina sy hanatanteraka ny didy sy fitsipika aman-dalàna rehetra izay nataon’ny TOMPO Andriamanitray.


Samy nidio tena ny mpisorona sy ny levita; ary nodioviny koa ny olona sy ny vavahady ary ny manda.