«Ry Andriamanitra ô, tsarovy i Tôbià sy i Sanebalato araka izany asany izany, ary tsarovy koa i Nôhadià mpaminanivavy sy ireo mpaminany hafa izay nitady hampitahotra ahy.»
Nehemia 13:29 - DIEM PROTESTANTA «Tsarovy ireo, ry Andriamanitro ô, satria nanala baràka ny fisoronana sady nanazimba ny fanekempihavananao tamin’ny mpisorona sy ny levita.» Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Tsarovy ireo, ry Andriamanitro ô, noho ny nandotoany ny fisoronana; eny, ny faneken’ny fisoronana sy ny levita. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara «Tsarovy ireo, ry Andriamanitro ô, satria nanala baràka ny fisoronana sady nanazimba ny fanekempihavananao tamin’ny mpisorona sy ny levita.» Baiboly Katolika Tsarovy izy ireo, ry Andriamanitra ô, ny amin’ny nanalany baraka ny fisoronana sy ny andraikitra masin’ny mpisorona sy ny Levita! Baiboly Protestanta Malagasy Tsarovy ireo, ry Andriamanitro ô, noho ny nandotoany ny fisoronana, eny, ny faneken’ny fisoronana sy ny Levita. Malagasy Bible Tsarovy ireo, ry Andriamanitro ô, noho ny nandotoany fisoronana, eny, ny faneken'ny fisoronana sy ny Levita. La Bible en Malgache Tsarovy ireo, ry Andriamanitro ô, noho ny nandotoany ny fisoronana; eny, ny faneken’ny fisoronana sy ny levita. |
«Ry Andriamanitra ô, tsarovy i Tôbià sy i Sanebalato araka izany asany izany, ary tsarovy koa i Nôhadià mpaminanivavy sy ireo mpaminany hafa izay nitady hampitahotra ahy.»
Amin’izay, dia tsy ho afa-baràka ny ankohonany eo anivon’ny fianakaviamben’ny mpisorona, Satria Izaho no TOMPO Izay efa nanokana ny mpisorombe hanompo Ahy.»
Kanefa noho izy misy kilema, dia tsy mahazo mankeo amin’ny efitra lamba izy na manatona ny alitara; tsy tokony handoto ny Toeramasina onenako izy, satria Izaho TOMPO efa nanokana ny mpisorona hanompo Ahy.»
Ianareo Israelita kosa dia aoka hihevitra ny mpisorona ho olona voatokana, satria ny sakafo aroso ho Ahy Andriamanitrareo no atolony. Eny, aminareo ny mpisorona dia ho olona voatokana; satria Izaho TOMPO, Izay nanokana anareo Israelita ho vahoakako, dia masina.
Raha i Aleksandra mpanefy varahina, dia betsaka ny ratsy nafitsony ahy; ny Tompo no hamely azy araka izay vitany.
Noho izany, ny TOMPO Andriamanitr’i Israely dia miteny hentitra hoe: Efa nampanantenaiko fa ny fianakavianao sy ny tera-drainao no ho mpisoroko mandrakizay; nefa ankehitriny dia laviko tanteraka, teny hentitra avy amiko izany; fa izay manome voninahitra Ahy no homeko voninahitra, ary izay manimbazimba Ahy no ho afa-baràka.