Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Nehemia 13:27 - DIEM PROTESTANTA

Koa mety ve raha ianareo no re fa manao izao haratsiana lehibe izao ka manota amin’Andriamanitsika, satria vehivavy hafa firenena no alainareo ho vadinareo?

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Ka moa mety va raha ianareo no re fa manao izao ratsy lehibe rehetra izao ka manota amin’Andriamanitsika amin’ny akanareo vehivavy hafa firenena ho vadinareo?

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Koa mety ve raha ianareo no re fa manao izao haratsiana lehibe izao ka manota amin’Andriamanitsika, satria vehivavy hafa firenena no alainareo ho vadinareo?

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

Ka moa tokony ho re akory va, fa ianareo koa mahavita heloka be vava sy manota amin’ny Andriamanitsika toy izany, fa namponina ao aminareo vehivavy hafa firenena!

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Koa mety va raha hianareo no re fa manao izao ratsy lehibe rehetra izao ka manota amin’Andriamanitsika amin’ny akanareo vehivavy hafa firenena ho vadinareo?

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Koa mety va raha ianareo no re fa manao izao ratsy lehibe rehetra izao ka manota amin'Andriamanitsika amin'ny akanareo vehivavy hafa firenena ho vadinareo?

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Ka moa mety va raha ianareo no re fa manao izao ratsy lehibe rehetra izao ka manota amin’Andriamanitsika amin’ny akanareo vehivavy hafa firenena ho vadinareo?

Jereo ny toko



Nehemia 13:27
5 Rohy Ifampitohizana  

Tamin’izany no niteny i Sekanià, zanakalahin’i Jehiela sady anisan’ny taranak’i Helama, ka nanao tamin’i Hezrà hoe: –Efa nanao izay mahadiso amin’Ilay Andriamanitsika izahay, satria naka vehivavy hafa firenena anisan’ireo mponin’ity tany ity ho vadinay; nefa na izany aza, dia mbola misy fanantenana ihany ho an’i Israely.


Ahoana àry no mbola handikanay ny didinao indray ka hanambadianay amin’ireo olona mpanao zava-maharikoriko ireo? Tsy ho tezitra aminay ve Ianao ka handringana anay rehetra tsy misy ankanavaka?


Tsy homenay ho vadin’ny valovotaka ny zanakavavinay; ary tsy halainay ho vadin’ny zanakalahinay ny zanakavavin’ireo valovotaka.


Tamin’izany fotoanandro izany, dia hitako fa nisy Jiosy efa nanambady vehivavy asdôdita sy hamônita ary môabita.


Koa iza no hihaino anareo amin’izany hevitrareo izany? Tsia, «fa mitovy ihany ny anjaran’izay nidina hiady sy izay nijanona niandry entana: hiarahan’ny roa tonta mizara ireo.»