Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Nehemia 13:21 - DIEM PROTESTANTA

dia nananatra azy mafy aho ka nanao taminy hoe: –Nahoana ianareo no mandry eto anoloan’ny manda? Raha mbola manao izany ianareo, dia asaiko samborina. Koa nanomboka tamin’io andro io, dia tsy tonga tamin’ny sabata intsony ireo.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

nananatra azy ireo mafy aho ka niteny taminy hoe: Nahoana ianareo no mandry eto anilan’ny manda? Raha mbola manao izany indray ianareo dia hosamboriko. Koa hatramin’izany andro izany dia tsy tonga tamin’ny Sabata intsony izy ireo.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

dia nananatra azy mafy aho ka nanao taminy hoe: –Nahoana ianareo no mandry eto anoloan’ny manda? Raha mbola manao izany ianareo, dia asaiko samborina. Koa nanomboka tamin’io andro io, dia tsy tonga tamin’ny sabata intsony ireo.

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

ka noteneniko izy ireo nataoko hoe: «Ahoana no andrianareo eto anoloan’ny manda? Raha mbola manao izany ianareo, dia hosamboriko.» Hatramin’izay andro izay, dia tsy tonga tamin’ny sabata intsony izy ireo.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

dia nananatra azy mafy aho ka nanao taminy hoe: Nahoana hianareo no mandry eto anilan’ny mànda? Raha mbola manao izany indray hianareo, dia hosamboriko. Koa hatramin’izany andro izany dia tsy tonga tamin’ny Sabata intsony izy.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

dia nananatra azy mafy aho ka nanao taminy hoe: Nahoana ianareo no mandry eto anilan'ny manda Raha mbola manao izany indray ianareo, dia hosamboriko. Koa hatramin'izany andro izany dia tsy tonga tamin'ny Sabata intsony izy.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

nananatra azy ireo mafy aho ka niteny taminy hoe: Nahoana ianareo no mandry eto anilan’ny manda? Raha mbola manao izany indray ianareo dia hosamboriko. Koa hatramin’izany andro izany dia tsy tonga tamin’ny Sabata intsony izy ireo.

Jereo ny toko



Nehemia 13:21
6 Rohy Ifampitohizana  

Ary na iza na iza tsy mety mankatò ny lalànan’Andriamanitrao sy ny lalànan’ny amperôra, dia aoka izy hotsaraina araka ny rariny ka hovonoina, na horoahina, na hosazîna vola, na hatao am-ponja».


Raha misy vary na entana hafa amidin’ny valovotaka amin’ny andro sabata na amin’ny andro fety, dia tsy hovidinay; ary, isaky ny taona fahafito, dia tsy hambolenay ny tany sady hafoinay ny trosa rehetra.


Tamin’izay koa no nahitako ny olona sasany tao Joda nanosihosy famiazam-boaloboka tamin’ny andro sabata; nisy nitaona amboaram-bary, nampitondra entana ny borikiny aza, dia divay sy voaloboka sy aviavy ary entana isan-karazany, mba hoentina any Jerosalema amin’ny andro sabata; dia nananatra azy mafy aho ny amin’izany andro ivarotany entana izany.


Ka dia tafandry nilafika teo ivelan’i Jerosalema, indray mandeha na indroa, ny mpandranto sy ny mpivarotra zavatra samy hafa;


na ireo mpifehy izany, satria nirahin’ny filoham-pirenena izy mba hanasazy ny mpanao asa ratsy ary mba hidera ny mpanao asa soa.