Teo ambany fifehezan’i Salômôna avokoa ny mpanjaka rehetra, hatrany amin’ny ony Eofrata ka hatratỳ amin’ny tanin’ny Filistinina sy ny sisin-tanin’i Ejipta.
Nehemia 12:26 - DIEM PROTESTANTA Ireo no nisahana izany asa izany tamin’ny andron’i Jôiakima zanakalahin’i Jesoa sy zafin’i Jôtsadàka, ary tamin’ny andron’i Nehemià governora sy i Hezrà mpisorona sady mpahay lalàna. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ireo no tamin’ny andron’i Joiakima, zanak’i Josoa, zanak’i Jozadaka, sy tamin’ny andron’i Nehemia governora sy i Ezra mpisorona sady mpanoradalàna. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ireo no nisahana izany asa izany tamin’ny andron’i Jôiakima zanakalahin’i Jesoa sy zafin’i Jôtsadàka, ary tamin’ny andron’i Nehemià governora sy i Hezrà mpisorona sady mpahay lalàna. Baiboly Katolika Ireo izy no tamin’ny andron’i Jôakima, zanak’i Josedeka sy i Nehemia governora, ary i Esdrasa mpisorona sy mpanora-dalàna. Baiboly Protestanta Malagasy Ireo no tamin’ny andron’i Joiakima, zanak’i Jesoa, zanak’i Jozadaka, sy tamin’ny andron’i Nehemia governora sy Ezra mpisorona sady mpanora-dalàna. Malagasy Bible Ireo no tamin'ny andron'i Joiakima, zanak'i Jesoa, zanak'i Jozadaka, sy tamin'ny andron'i Nehemia governora sy Ezra mpisorona sady mpanora-dalàna. La Bible en Malgache Ireo no tamin’ny andron’i Joiakima, zanak’i Josoa, zanak’i Jozadaka, sy tamin’ny andron’i Nehemia governora sy i Ezra mpisorona sady mpanoradalàna. |
Teo ambany fifehezan’i Salômôna avokoa ny mpanjaka rehetra, hatrany amin’ny ony Eofrata ka hatratỳ amin’ny tanin’ny Filistinina sy ny sisin-tanin’i Ejipta.
Izao no kôpian’ilay taratasy nomen’i Artakserksesa an’i Hezrà mpisorona izay mpahay lalàna fatra-pahalala ny antsipirian’ireo didy aman-dalàn’ny TOMPO ho an’i Israely:
Niakatra avy tany Babilôna i Hezrà; mpahay lalàna izy, ka fatra-pahalala tokoa ny lalàna izay nampitain’ny TOMPO Andriamanitr’i Israely tamin’i Mosesy. Nomen’ny amperôra an’i Hezrà avokoa izay rehetra nangatahiny, noho izy nombàn’ny herin’Ilay TOMPO Andriamaniny.
Dia nivory toy ny olona iray ihany; teo amin’ny kianja anoloan’ny Vavahadin’ny Rano no nivoriany tamin’ny andro voalohan’io volana io. Nasain’ny vahoaka nalain’i Hezrà mpahay Lalàna ny bokin’ny Lalàn’i Mosesy, izay nandidian’ny TOMPO an’ireo Israelita. Dia nentin’i Hezrà mpisorona izany ho eo anatrehan’ny Fiangonana izay nahitana ny lehilahy sy ny vehivavy ary ny zaza rehetra efa mahahaino.
Nitomany ny vahoaka rehetra teo, raha nandre ny tenin’ny lalàna. Noho izany i Nehemià governora sy i Hezrà mpisorona sady mpahay lalàna ary ny levita izay nampianatra ny olona dia niteny tamin’izy rehetra hoe: –Voatokana ho an’ny TOMPO Andriamanitrareo ity andro ity; koa aza malahelo na mitomany!