Na ianareo tsy mba niady aza fa nijanona niandry valan’ondry, dia ho tahaka ny voromahailala misy elany mirava-bolafotsy sy volony mirava-bolamena tsara.
Mpitsara 9:48 - DIEM PROTESTANTA Dia niakatra nankany an-tendrombohitra Tsalmôna i Abimelèka sy ny tafika manontolo nomba azy. Ary naka famaky izy, dia nikapa sampan-kazo ka nobetainy izany ary napetrany teo an-tsorony; dia nasainy nanao tahaka izany haingana koa ny tafiny. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Dia niakatra tany amin’ny tendrombohitra Zalmona i Abimeleka sy ny vahoaka niaraka taminy. Nandray famaky teny an-tanany i Abimeleka dia nikapa sampan-kazo; nobatainy izany dia nolanjainy teny an-tsorony, ary hoy izy tamin’ny vahoaka izay niaraka taminy: Izay hitanareo ataoko dia mba manaova haingana toy izany koa ianareo. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Dia niakatra nankany an-tendrombohitra Tsalmôna i Abimelèka sy ny tafika manontolo nomba azy. Ary naka famaky izy, dia nikapa sampan-kazo ka nobetainy izany ary napetrany teo an-tsorony; dia nasainy nanao tahaka izany haingana koa ny tafiny. Baiboly Katolika dia niakatra tany an-tendrombohitra i Abimeleka mbamin’ny vahoaka momba azy, nataon’i Abimeleka an-tanana ny famaky, dia nikapa sampan-kazo anankiray izy, ka noingainy nataony an-tsoroka, ary hoy izy tamin’ny vahoaka momba azy: «Toy izay hitanareo nataoko, no mba ataovinareo faingana koa». Baiboly Protestanta Malagasy Ary Abimeleka sy ny vahoaka teo aminy dia niakatra tany an-tendrombohitra Zalmona; ary Abimeleka nitondra famaky teny an-tànany, dia nikapa sampan-kazo, ka nobetainy izany, dia nolanjainy teny an-tsorony, ary hoy izy tamin’ny vahoaka teo aminy: Izay hitanareo ataoko, dia mba manaova faingana toy izany koa hianareo. Malagasy Bible Ary Abimeleka sy ny vahoaka teo aminy dia niakatra tany an-tendrombohitra Zalmona; ary Abimeleka nitondra famaky teny an-tànany, dia nikapa sampan-kazo, ka nobetainy izany, dia nolanjainy teny an-tsorony, ary hoy izy tamin'ny vahoaka teo aminy: Izay hitanareo ataoko, dia mba manaova faingana toy izany koa ianareo. La Bible en Malgache Dia niakatra tany amin’ny tendrombohitra Zalmona i Abimeleka sy ny vahoaka niaraka taminy. Nandray famaky teny an-tanany i Abimeleka dia nikapa sampan-kazo; nobatainy izany dia nolanjainy teny an-tsorony, ary hoy izy tamin’ny vahoaka izay niaraka taminy: Izay hitanareo ataoko dia mba manaova haingana toy izany koa ianareo. |
Na ianareo tsy mba niady aza fa nijanona niandry valan’ondry, dia ho tahaka ny voromahailala misy elany mirava-bolafotsy sy volony mirava-bolamena tsara.
Fony Andriamanitra Tsitoha nanaparitaka ireo mpanjaka teo, dia ilay tendrombohitra hoe Salmôna no indro nilatsahan’ny oram-panala.»
Ary nisy nampandre an’i Abimelèka fa tafangona miafina ao ny mponina rehetra tao Migdala-Sekema.
Koa samy nikapa sampan-kazo iray avy ny miaramilany rehetra ary nanaraka an’i Abimelèka. Ary nentiny ny sampan-kazo ka natobiny teo anilan’ilay efitrano fierena, dia nodorany io mbamin’izay rehetra tao anatiny. Izany no nahafaty ny mponina rehetra tao Migdala-Sekema, dia lehilahy sy vehivavy tokony ho arivo.
Ary tonga hatrany amin’ny tilikambo i Abimelèka mba hamely izany; dia nanatona teo am-baravarana izy mba handoro ilay tilikambo.