Ary rehefa ren’ny mponina rehetra tao Migdala-Sekema izany, dia niditra tao amin’ny efitrano fierena tao ambanin’ny tempolin’i Bahala-Berita izy.
Mpitsara 9:47 - DIEM PROTESTANTA Ary nisy nampandre an’i Abimelèka fa tafangona miafina ao ny mponina rehetra tao Migdala-Sekema. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary nisy nilaza tamin’i Abimeleka fa tafangona tao Migdala-Sekema ireo lehibe rehetra. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ary nisy nampandre an’i Abimelèka fa tafangona miafina ao ny mponina rehetra tao Migdala-Sekema. Baiboly Katolika Fa i Abimeleka kosa, nony nampandrenesina fa hoe, ny mponina rehetra tamin’ny tilikambon’i Sikema, dia tafavory tao avokoa, Baiboly Protestanta Malagasy Ary nolazaina tamin’i Abimeleka fa tafangona tao amin’ny tilikambo tao Sekema ny olona rehetra. Malagasy Bible Ary nolazaina tamin'i Abimeleka fa tafangona tao amin'ny tilikambo tao Sekema ny olona rehetra. La Bible en Malgache Ary nisy nilaza tamin’i Abimeleka fa tafangona tao Migdala-Sekema ireo lehibe rehetra. |
Ary rehefa ren’ny mponina rehetra tao Migdala-Sekema izany, dia niditra tao amin’ny efitrano fierena tao ambanin’ny tempolin’i Bahala-Berita izy.
Dia niakatra nankany an-tendrombohitra Tsalmôna i Abimelèka sy ny tafika manontolo nomba azy. Ary naka famaky izy, dia nikapa sampan-kazo ka nobetainy izany ary napetrany teo an-tsorony; dia nasainy nanao tahaka izany haingana koa ny tafiny.