Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Mpitsara 9:4 - DIEM PROTESTANTA

Ary nanome sekela volafotsy fitopolo avy tao amin’ny rakitry ny tempolin’i Bahala-Berita ho an’i Abimelèka izy. Izany vola izany no hividianan’i Abimelèka ireo olom-poana sy marivo salosana hanaraka azy.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Dia nomeny volafotsy fitopolo sekela avy tao an-tranon’i Baala-Berita izy, ary nanambazan’i Abimeleka olom-poana sy maditra maromaro hanaraka azy izany volafotsy izany.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Ary nanome sekela volafotsy fitopolo avy tao amin’ny rakitry ny tempolin’i Bahala-Berita ho an’i Abimelèka izy. Izany vola izany no hividianan’i Abimelèka ireo olom-poana sy marivo salosana hanaraka azy.

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

Nomen’izy ireo vola fitopolo sikla izy, izay nalainy tao an-tranon’i Baala-Berita, ka nentin’i Abimeleka nanisihany izao olom-poana sy mpijirika rehetra izao, izay niraikitra taminy.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Dia nomeny sekely volafotsy fito-polo avy tao an-tranon’i Bala-berita izy, ary nanambazan’i Abimeleka olom-poana sy marivo salosana izany, ka dia nanaraka azy ireo.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Dia nomeny sekely volafotsy fito-polo avy tao an-tranon'i Bala-berita izy, ary nanambazan'i Abimeleka olom-poana sy marivo salosana izany, ka dia nanaraka azy ireo.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Dia nomeny volafotsy fitopolo sekela avy tao an-tranon’i Baala-Berita izy, ary nanambazan’i Abimeleka olom-poana sy maditra maromaro hanaraka azy izany volafotsy izany.

Jereo ny toko



Mpitsara 9:4
11 Rohy Ifampitohizana  

Ary i Davida koa lasa nody mba hiarahaba ny ankohonany. Fa avy hatrany dia notsenain’i Mikàla zanakavavin’i Saoly izy, ka nataony hoe: –Endrey izany voninahitry ny mpanjakan’i Israely androany, dia ilay nanary lamba anikeheo teo anatrehan’ny mpanompovavin’ny andevony, tahaka ny adala manary lamba!


Nisy koa olom-poana, tena ratsy fanahy, tafangona teo amin’i Jerôbohama ka nampidrikina azy tamin’i Rehabohama zanakalahin’i Salômôna; fa mbola tanora sady marefo toetra i Rehabohama tamin’izay ka tsy nahatohitra azy.


Karazan’olona adala sy kentrina izy, ka noroahina tamin’ny kapoka mba hiala ny tany nonenany.


Izay miasa ny taniny ho voky hanina, fa izay manao hevi-dravina kosa tsy ampy saina.


Mpieboebo sady mpamitaka ireo mpaminaniny; zimbazimbain’ireo mpisorony kosa ny zavatra voatokana ho an’Andriamanitra ary dikainy ny lalàna.


Velom-pialonana kosa ny Jiosy, ka namory olon-dratsy avy amin’ireo vahoaka be nahaona teny an-dalambe. Dia nampihotakotaka ny olona ny Jiosy ka nampisavorovoro ny tanàna. Notamîn-dry zareo ny tranon’i Jasôna ary notadiaviny hoentina eo anatrehan’ny vahoaka ry i Paoly sy i Silasy.


Dia nandositra lavitra ny rahalahiny i Jiftà ka nonina tao amin’ny faritanin’i Tôba. Ary nisy koa olom-poana nivondrona teo aminy ka nanao asan-jirika niaraka taminy.


Rehefa maty i Gidehôna, dia nanompo an’i Bahala indray ny Israelita ary nanao an’i Bahala-Berita ho andriamaniny.


Nandeha nioty voaloboka tany an-tsaha ny Sekemita, ary nanosihosy voaloboka, dia nanomana fety. Nankany amin’ny tempolin’ny andriamaniny izy ary nisotro sy nihinana sady nanozona an’i Abimelèka.


Nitangorona teo aminy ny olona tokony ho efajato lahy, dia ireo olona sahirana sy ireo bokan-trosa ary ireo tsy faly; izy no tonga filohany.