ka hoy i Labàna taminy: –Marina tokoa fa havako ianao, ary iray ra amiko. Dia nipetraka iray volana tao aminy i Jakôba.
Mpitsara 9:2 - DIEM PROTESTANTA –Mba anontanio ny mponina rehetra eto Sekema ange izay mety aminy kokoa na ny hofehezin’ny fitopolo lahy zanak’i Jerobahala, na ny hofehezin’ny olona iray ihany. Ary tsarovy fa izaho dia isan’ny fianakavianareo. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Mba mitenena ianareo amin’ireo lehibe rehetra eto Sekema hoe: Iza no tsara ho anareo: Ny hiarahan’izy fitopolo lahy zanak’i Jerobaala hanapaka anareo va, sa ny hanapahan’ny lehilahy iray anareo? Tsarovy fa taolanareo sy nofonareo aho! Dikateny Iombonana Eto Madagasikara –Mba anontanio ny mponina rehetra eto Sekema ange izay mety aminy kokoa na ny hofehezin’ny fitopolo lahy zanak’i Jerobahala, na ny hofehezin’ny olona iray ihany. Ary tsarovy fa izaho dia isan’ny fianakavianareo. Baiboly Katolika «Raha sitrakareo mba lazao kely ho ren’ny mponina rehetra ao Sikema izao: Inona no tsara ho anareo ny hanjakan’izy fitopolo lahy, samy zanak’i Jerobaala, aminareo va, sa ny hanjakan’ny lehilahy iray aminareo? Ary tsarovy fa taolana sy fonareo ihany aho». Baiboly Protestanta Malagasy Mba mitenena hianareo eo anatrehan’ny mponina rehetra eto Sekema hoe: Iza no tsara ho anareo: ny hiarahan’izy fito-polo lahy zanak’i Jerobala manjaka aminareo va, sa ny hanjakan’ny lehilahy iray? Koa tsarovy fa taolanareo sy nofonareo aho. Malagasy Bible Mba mitenena ianareo eo anatrehan'ny mponina rehetra eto Sekema hoe: Iza no tsara ho anareo: ny hiarahan'izy fito-polo lahy zanak'i Jerobala manjaka aminareo va, sa ny hanjakan'ny lehilahy iray? Koa tsarovy fa taolanareo sy nofonareo aho. La Bible en Malgache Mba mitenena ianareo amin’ireo lehibe rehetra eto Sekema hoe: Iza no tsara ho anareo: Ny hiarahan’izy fitopolo lahy zanak’i Jerobaala hanapaka anareo va, sa ny hanapahan’ny lehilahy iray anareo? Tsarovy fa taolanareo sy nofonareo aho! |
ka hoy i Labàna taminy: –Marina tokoa fa havako ianao, ary iray ra amiko. Dia nipetraka iray volana tao aminy i Jakôba.
Mpiray foko amin’ny mpanjaka ianareo, ary havany sy tapany, koa nahoana no ianareo indray no ho farany amin’ny fampodiana azy?›
Dia nivory teo amin’i Davida tao Hebrôna i Israely manontolo ka nanao hoe: –Indreto izahay havanao sy tapakao.
Koa satria moa olombelona nofo aman-dra ireo zaza, dia tonga olombelona tahaka azy koa i Jesoa. Izany no nataony, dia ny mba handalovany amin’ny fahafatesana ka hahatonga ilay mitana ny herin’ny fahafatesana, izany hoe ny devoly, tsy hahavita na inona na inona intsony
nefa androany dia nikomianareo ny ankohonany. Novonoinareo ny zanany fitopolo lahy teo ambony vatolampy iray ihany; ary nampanjakainareo tamin’ny mponin’i Sekema i Abimelèka zanakalahin’ny mpanompovaviny, satria havanareo izy.
Ary tonga tao an-tranon-drainy tao Hôfrà i Abimelèka ka namono ny rahalahiny fitopolo lahy zanak’i Jerobahala teo ambony vatolampy iray ihany. I Jôtama, ilay kely indrindra tamin’ireo ihany, no sisa afaka satria niery izy.