Fa namaly azy ny aviavy hoe: ‹Dia holaviko ve ny hanome voa mamy sy matsiro, ka handeha hitsingevaheva eny ambonin’ny hazo hafa aho?›
Mpitsara 9:12 - DIEM PROTESTANTA Ary hoy koa ireo hazo tamin’ny voaloboka: ‹Andao ianao hanjaka aminay.› Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Dia hoy ny hazo maniry tamin’ny voaloboka: Avia ianao ka manjakà aminay! Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ary hoy koa ireo hazo tamin’ny voaloboka: ‹Andao ianao hanjaka aminay.› Baiboly Katolika Dia ny voaloboka indray no nilazan’ny hazo hoe: Avia ianao hanjaka aminay. Baiboly Protestanta Malagasy Dia hoy ny hazo tamin’ny voaloboka: Avia hianao, ka manjakà aminay. Malagasy Bible Dia hoy ny hazo tamin'ny voaloboka: Avia ianao, ka manjakà aminay. La Bible en Malgache Dia hoy ny hazo maniry tamin’ny voaloboka: Avia ianao ka manjakà aminay! |
Fa namaly azy ny aviavy hoe: ‹Dia holaviko ve ny hanome voa mamy sy matsiro, ka handeha hitsingevaheva eny ambonin’ny hazo hafa aho?›
Fa namaly azy ny voaloboka hoe: ‹Dia holaviko ve ny hamokatra divay izay mahafaly an’Andriamanitra sy ny olona, ka handeha hitsingevaheva eny ambonin’ny hazo hafa aho?›