Mpitsara 8:32 - DIEM PROTESTANTA Ary maty i Gidehôna rehefa tratra antitra tsara ka nalevina tao Hofrà, tanànan’ny tarika abihezerita, tao amin’ny fasan’i Jôasy rainy. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Dia maty i Gideona, zanak’i Joasy, rehefa tratra antitra tsara, ka nalevina tao amin’ny fasan’i Joasy rainy tao Ofran’ny Abiezerita. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ary maty i Gidehôna rehefa tratra antitra tsara ka nalevina tao Hofrà, tanànan’ny tarika abihezerita, tao amin’ny fasan’i Jôasy rainy. Baiboly Katolika Tratra antitra tsara i Jedeôna, zanak’i Jôasy, vao maty; ary tao amin’ny fasan’i Jôasy rainy izy no nalevina, tao Efràn’i Abiesera. Baiboly Protestanta Malagasy Dia maty Gideona, zanak’i Joasy, rehefa tratrantitra tsara, ka nalevina tao amin’ny fasan’i Joasy rainy tao Ofran’ny Abiezrita izy. Malagasy Bible Dia maty Gideona. zanak'i Joasy, rehefa tratrantitra tsara, ka nalevina tao amin'ny fasan'i Joasy rainy tao Ofran'ny Abiezrita izy. La Bible en Malgache Dia maty i Gideona, zanak’i Joasy, rehefa tratra antitra tsara, ka nalevina tao amin’ny fasan’i Joasy rainy tao Ofran’ny Abiezerita. |
dia niala aina izy ka maty tamim-pahanterana rehefa fotsy volo tsara sy voky andro, ary voakambana tamin’ny razany.
Nentina ny fatin’i Asahela ka nalevina tao amin’ny fasan-drainy tao Betlehema. Ary i Jôaba sy ny olony nanao lava alina, dia tonga tany Hebrôna tamin’ny mazava ratsy.
Ho tratra antitra nefa havitrika ianao ambara-piditrao any am-pasana, dia ho tahaka ny amboaram-bary izay akarina ho antontany amin’ny fotoam-pararano.
Ary nanorina alitara ho an’ny TOMPO teo i Gidehôna, ka io toerana io dia nantsoiny hoe «Ny TOMPO manome fiadanana»; ary mandraka androany izany alitara izany dia mbola ao Hôfrà, tanànan’ny tarik’i Abihezera.
Ary ny volamena dia nanamboaran’i Gidehôna efôda izay napetrany tao Hofrà tanànany. Ary notompoin’ny Israelita rehetra toy ny sampy izany efôda izany, ka tonga fandrika ho an’i Gidehôna sy ny ankohonany.
Rehefa maty i Gidehôna, dia nanompo an’i Bahala indray ny Israelita ary nanao an’i Bahala-Berita ho andriamaniny.