Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Mpitsara 8:1 - DIEM PROTESTANTA

Ary hoy ny vatan-dehilahy efraîmita tamin’i Gidehôna: –Nahoana no nanao izao fihetsika izao taminay ianao? Nahoana no tsy niantso anay ianao fony nandeha niady tamin’ny Midianita? Dia nanome tsiny azy mafy ireo.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Ary hoy ny lehilahin’i Efraima tamin’i Gideona: Ahoana izao zavatra nataonao taminay izao no tsy mba nantsoinao izahay raha nandeha hiady tamin’ny Midianita ianao? Dia nanome tsiny azy mafy ireo.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Ary hoy ny vatan-dehilahy efraîmita tamin’i Gidehôna: –Nahoana no nanao izao fihetsika izao taminay ianao? Nahoana no tsy niantso anay ianao fony nandeha niady tamin’ny Midianita? Dia nanome tsiny azy mafy ireo.

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

Ary hoy ny lehilahy amin’i Efraima tamin’i Jedeôna: «Mba ahoana kosa izany fomba nataonao taminay izany, no dia tsy niantso anay akory ianao raha handeha hiady amin’i Madiàna.» Sady nilàna sotasota izaitsizy izy.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary hoy ny lehilahy amin’ny Efraima tamin’i Gideona: Ahoana izao zavatra nataonao taminay izao, no tsy nantsoinao izahay, raha nandeha hiady tamin’ny Midiana hianao? Dia nanome tsiny azy mafy ireo.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary hoy ny lehilahy amin'ny Efraima tamin'i Gideona: Ahoana izao zavatra nataonao taminay izao, no tsy nantsoinao izahay, raha nandeha hiady tamin'ny Midiana ianao? Dia nanome tsiny azy mafy ireo.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Ary hoy ny lehilahin’i Efraima tamin’i Gideona: Ahoana izao zavatra nataonao taminay izao no tsy mba nantsoinao izahay raha nandeha hiady tamin’ny Midianita ianao? Dia nanome tsiny azy mafy ireo.

Jereo ny toko



Mpitsara 8:1
9 Rohy Ifampitohizana  

Nandroso nankany Gilgala kosa ny mpanjaka, ary niarahan’i Kimihama. Nanara-dia ny mpanjaka ny Jodeanina rehetra sy ny antsasak’ireo Israelita avaratra.


Ary indreo nankeo amin’ny mpanjaka avokoa ny lehilahy israelita, ka nanao taminy hoe: –Nahoana ireo lehilahy jodeanina rahalahinay no naka an-keriny anao, ry Davida mpanjaka, mba hitondra ny tenanao sy ny fianakavianao hiampita an’i Jôrdàna, nefa dia tafaraka taminao ny miaramilanao rehetra.


Fa ho voakikin’ny fahasosorany ny adala; ary ho fatin’ny fahatezerany ny ketrina.


Famaliana am-pitiavana mampitony hatezerana; fa teny mitratreva kosa mahatonga havinirana.


Hitako fa matoa ny olona misasatra sy milofo amin’ny asany dia ny hahomby kokoa noho ireo namany. Nefa mbola zava-poana manenji-drivotra koa izany.


Rehefa niteny i Efraîma, dia nampatahotra ny besinimaro izy ka nahery tao Israely. Fa ny nanompoany an’i Bahala no nahameloka sy nahafaty azy.


Fa namaly azy i Gidehôna ka nanao hoe: –Inona moa izay nataoko raha mitaha amin’ny zava-bitanareo? Moa tsy ny firotsahanareo Efraîmita na dia teo amin’ny sehatra kely aza ve no tsara lavitra noho ny nataon’ny tarika abihezerita fiaviako?