Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Mpitsara 7:4 - DIEM PROTESTANTA

Nefa hoy indray ny TOMPO tamin’i Gidehôna: –Mbola marobe ihany io tafika io, koa ampidino ho eo amoron-drano izy fa eo no hifantenako ho anao. Holazaiko aminao tsirairay izay tokony handeha hiaraka aminao sy izay tsy tokony handeha.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Hoy NY TOMPO tamin’i Gideona: Mbola maro loatra ihany ny olona. Ampidino ho eo amin’ny rano izy ka eo no hizahako toetra azy ho anao; izay holazaiko aminao hoe: Io no hiaraka handeha aminao, dia izy no handeha hiaraka aminao; ary izay holazaiko aminao hoe: Io tsy hiaraka aminao, dia izy kosa no tsy handeha.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Nefa hoy indray ny TOMPO tamin’i Gidehôna: –Mbola marobe ihany io tafika io, koa ampidino ho eo amoron-drano izy fa eo no hifantenako ho anao. Holazaiko aminao tsirairay izay tokony handeha hiaraka aminao sy izay tsy tokony handeha.

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

Hoy i Iaveh tamin’i Jedeôna: «Mbola maro loatra ny vahoaka ka ampidino ho eo amoron-drano izy, fa eo no hanavahako azy ho anao, ka izay holazaiko aminao hoe: Aoka hiaraka aminao io no hiaraka aminao; fa izay holazaiko aminao hoe: Aoka tsy hiaraka aminao io, dia tsy hiaraka aminao.»

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Fa hoy Jehovah tamin’i Gideona: Mbola maro ihany ny olona; koa ampidino ho eo amin’ny rano izy, ary eo no hizahako toetra azy ho anao; ary izay holazaiko aminao hoe: Io no hiaraka aminao, dia izy no hiaraka aminao; ary izay rehetra holazaiko aminao hoe: Io no tsy hiaraka aminao, dia izy kosa no tsy hiaraka aminao.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Fa hoy Jehovah tamin'i Gideona: Mbola maro ihany ny olona; koa ampidino ho eo amin'ny rano izy, ary eo no hizahako toetra azy ho anao; ary izay holazaiko aminao hoe: Io no hiaraka aminao, dia izy no hiaraka aminao; ary izay rehetra holazaiko aminao hoe: Io no tsy hiaraka aminao, dia izy kosa no tsy hiaraka aminao.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Hoy NY TOMPO tamin’i Gideona: Mbola maro loatra ihany ny olona. Ampidino ho eo amin’ny rano izy ka eo no hizahako toetra azy ho anao; izay holazaiko aminao hoe: Io no hiaraka handeha aminao, dia izy no handeha hiaraka aminao; ary izay holazaiko aminao hoe: Io tsy hiaraka aminao, dia izy kosa no tsy handeha.

Jereo ny toko



Mpitsara 7:4
10 Rohy Ifampitohizana  

Taorian’izany toe-javatra izany, dia nizaha toetra an’i Abrahama Andriamanitra ka niantso azy hoe: –Ry Abrahama! Dia namaly i Abrahama hoe: –Inty aho.


Na izany aza, fantany tsara ny lalana falehako; fa raha mizaha toetra ahy Izy, dia hivoaka madio toy ny volamena aho.


Raha handresy amin’ny ady ny mpanjaka, dia tsy noho ny hamaroan’ny miaramilany; ary raha afa-doza ny mpiady, dia tsy noho ny haben’ny heriny.


Nozahanao toetra izahay, Andriamanitra ô, nosedrainao toa volafotsy anaty memy,


TOMPO ô, Ianao no mpitsara ireo firenena; koa tsarao aho, ry TOMPO Avo Indrindra, fa tia rariny aho ary tsy manan-tsiny.


Dia nampidinin’i Gidehôna hankeo amoron-drano ny tafiny; ary hoy ny TOMPO taminy: –Izay rehetra milelaka ny rano amin’ny lelany toy ny fanaon’ny alika, dia avaho amin’ireo rehetra mandohalika hisotro kosa.


Dia hoy izany i Jônatàna tamin’ny mpanompony: –Andeha hotafihintsika ny tobin’ireo tsy mifora ireo, sao mba homba antsika ihany ny TOMPO, fa tsy misy manakana AZY tsy hanome antsika ny fandresena, na maro isika na vitsy.


Nefa hoy ny TOMPO taminy: «Aza sodokan’ny tarehiny sy ny tsanganany ianao, fa tsy nifidy azy Aho akory. Tsy mba mitsara toy izay ataon’olombelona Aho. Ny olona mijery ivelany fotsiny ihany, fa Izaho TOMPO kosa mahita hatramin’ny atin’ny fo.»