Avy eo dia hoy i Jesoa tamin’ireo mpianany: –Raha misy te hiara-dia amiko, dia aoka izy handà ny tenany ka hitondra ny hazofijaliany ary hiaraka amiko.
Mpitsara 7:17 - DIEM PROTESTANTA Dia nanome baiko ireo izy hoe: –Mijere ahy ianareo, ka izay ataoko no ataovy raha vao tonga eo an-tsisin’ny toby aho. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Dia hoy izy taminy: Mijere ahy ianareo ka manaova araka izay ataoko; koa rehefa mankany amin’ny sisin’ny toby aho dia izay ataoko no hataonareo koa. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Dia nanome baiko ireo izy hoe: –Mijere ahy ianareo, ka izay ataoko no ataovy raha vao tonga eo an-tsisin’ny toby aho. Baiboly Katolika dia hoy izy tamin’izy ireo: «Izaho no hojerenareo, ary izay hataoko no hataonareo. Baiboly Protestanta Malagasy Dia hoy izy taminy: Mijere ahy hianareo, ka manaova araka izay ataoko; ary, indro, raha mankany amin’ny sisin’ny toby aho, dia izay ataoko ihany no mba ataovinareo koa. Malagasy Bible Dia hoy izy taminy: Mijere ahy ianareo, ka manaova araka izay ataoko; ary, indro, raha mankany amin'ny sisin'ny toby aho, dia izay ataoko ihany no mba ataovinareo koa. La Bible en Malgache Dia hoy izy taminy: Mijere ahy ianareo ka manaova araka izay ataoko; koa rehefa mankany amin’ny sisin’ny toby aho dia izay ataoko no hataonareo koa. |
Avy eo dia hoy i Jesoa tamin’ireo mpianany: –Raha misy te hiara-dia amiko, dia aoka izy handà ny tenany ka hitondra ny hazofijaliany ary hiaraka amiko.
Tsarovy ireo mpitarika anareo ara-pivavahana, izay efa nitory ny tenin’Andriamanitra taminareo; hevero izay niafaran’ny fiainany ka alao tahaka ny finoany.
tsy ho mpanjakazaka amin’ny anjara fiandrasana fa ho fakàn-tahaka harahin’ny andianondry;
Nozarain’i Gidehôna ho antokony telo ireo telonjato lahy, ka samy nomeny trompetra iray sy siny foana iray ary fanilo iray avy isan-dahy ka hapetraka ao anaty siny.
Raha mitsoka trompetra ny tenako sy ny olona miaraka amiko, dia mba mitsofa trompetra manodidina ny toby koa ka miantsoantsoa hoe: «Ho an’ny TOMPO sy ho an’i Gidehôna!»
Dia niakatra nankany an-tendrombohitra Tsalmôna i Abimelèka sy ny tafika manontolo nomba azy. Ary naka famaky izy, dia nikapa sampan-kazo ka nobetainy izany ary napetrany teo an-tsorony; dia nasainy nanao tahaka izany haingana koa ny tafiny.