Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Mpitsara 6:9 - DIEM PROTESTANTA

Izaho no nanafaka anareo teo am-pelatanan’ny Ejiptianina sy izay rehetra nampahory anareo. Noroahiko ny fahavalonareo arakaraky ny nandrosoanareo ka nomeko anareo ny taniny.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

ary nanafaka anareo tamin’ny tanan’ny Ejiptiana sy ny tanan’izay rehetra nampahory anareo. Nandroaka ireny teo anoloanareo Aho ka nomeko anareo ny taniny.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Izaho no nanafaka anareo teo am-pelatanan’ny Ejiptianina sy izay rehetra nampahory anareo. Noroahiko ny fahavalonareo arakaraky ny nandrosoanareo ka nomeko anareo ny taniny.

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

Nanafaka anareo tamin’ny tanan’izay rehetra nampahory anareo; noroahiko teo anoloanareo ireny dia nomeko anareo ny taniny.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

ary namonjy anareo tamin’ny tànan’ny Egyptiana sy ny tànan’izay rehetra nampahory anareo, dia nandroaka ireny teo anoloanareo Aho, ka nomeko anareo ny taniny;

Jereo ny toko

Malagasy Bible

ary namonjy anareo tamin'ny tanan'ny Egyptiana sy ny tànan'izay rehetra nampahory anareo, dia nandroaka ireny teo anoloanareo Aho, ka nomeko anareo ny taniny;

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

ary nanafaka anareo tamin’ny tanan’ny Ejiptiana sy ny tanan’izay rehetra nampahory anareo. Nandroaka ireny teo anoloanareo Aho ka nomeko anareo ny taniny.

Jereo ny toko



Mpitsara 6:9
7 Rohy Ifampitohizana  

Dia navoakany ny vahoaka voafidiny, ka niravo sy nanao horakora-pifaliana;


sy nisarika antsika ho afaka amin’ny mpampahory –eny, maharitra mandrakizay ny fitiavany!


Hirahiko ny anjeliko mba hitari-dàlana anareo; horoahiko ny Kanahanita sy ny Amôrita, ny Hetita sy ny Perizita, ary ny Hivita sy ny Jebosita.


Ary nambarako taminareo fa Izaho no TOMPO Andriamanitrareo. Ka tsy tokony hatahoranareo ny andriamanitry ny Amôrita eo amin’ny tany izay onenanareo nefa tsy nihaino Ahy ianareo.»


dia nanirahany mpaminany hiteny aminy hoe: –Izao no lazain’ny TOMPO Andriamanitr’i Israely: «Izaho no nitondra anareo niala tany Ejipta sy namoaka anareo tao amin’ny toerana nanandevozana anareo.


ka nanao tamin’izy ireo hoe: –Izao no lazain’ny TOMPO Andriamanitr’i Israely: «Izaho no nampiakatra anareo Israelita hiala avy tany Ejipta; Izaho no namonjy anareo tamin’ny vahoakan’ny Ejiptianina sy ny fanjakana rehetra izay namoritra anareo.»