Tamin’izay fotoana izay dia tsy afaka nifamoivoy tamim-pilaminana ny olona; fa horohoro be no nanjo ny mponina rehetra tamin’ny tany.
Mpitsara 5:6 - DIEM PROTESTANTA Tamin’ny andron’i Samgary zanakalahin’i Hanata sy tamin’ny andron’i Jahela dia nidify ity faritra ity ny andian’ireo mpitaingin-drameva; fa nanaraka lalan-kafa ireo mpandeha. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Tamin’ny andron’i Samgara, zanak’i Anata sy tamin’ny andron’i Jaela dia tsy nodiavina ny lalambe, fa ny sakeli-dalana mivilivily no nalehan’ny mpandeha. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Tamin’ny andron’i Samgary zanakalahin’i Hanata sy tamin’ny andron’i Jahela dia nidify ity faritra ity ny andian’ireo mpitaingin-drameva; fa nanaraka lalan-kafa ireo mpandeha. Baiboly Katolika Tamin’ny andron’i Simagara, zanak’i Amata, tamin’ny andron’i Jahela ny lalam-be tsy nodiavina, fa ny sakeli-dalana mihodivitra no nomban’ny mpandeha. Baiboly Protestanta Malagasy Tamin’ny andron’i Samgara, zanak’i Anata, Sy tamin’ny andron’i Jaela Dia tsy nodiavina ny làlambe, Fa ny sakeli-dàlana mivilivily no nalehan’ny mpandeha. Malagasy Bible Tamin'ny andron'i Samgara, zanak'i Anata, sy tamin'ny andron'i Jaela dia tsy nodiavina ny lalambe, fa ny sakeli-dalana mivilivily no nalehan'ny mpandeha. La Bible en Malgache Tamin’ny andron’i Samgara, zanak’i Anata sy tamin’ny andron’i Jaela dia tsy nodiavina ny lalambe, fa ny sakeli-dalana mivilivily no nalehan’ny mpandeha. |
Tamin’izay fotoana izay dia tsy afaka nifamoivoy tamim-pilaminana ny olona; fa horohoro be no nanjo ny mponina rehetra tamin’ny tany.
Fa izay mivoana any amin’ny lala-miolikolika kosa dia aoka horoahin’ny TOMPO miaraka amin’ny mpanao ratsy! Ny fiadanana anie ho amin’i Israely!
Foana tanteraka ny arabe, tsy misy mpandeha intsony eny an-dalana. Nivadihan’ilay firenena mpanjakazaka ny fifanekena natao taminy; nolaviny ny vavolombelon’izany, ary tsy nasiany hasina ny olona.
Aza mivoaka ho any an-tsaha, aza mandeha eny an-dalam-be fa ao ny fahavalo mirongo sabatra; ka horohoro hatraiza hatraiza.
Misaona ny lalana mankany Tsiôna satria tsy misy miakatra amin’ny fety. Mangina avokoa ny kianjany ary sentom-pahakiviana no ataon’ny mpisorony. Ory fatratra ireo tovovaviny, ka mangidy amin’i Tsiôna izany!
Arahi-maso ny fihetsikay: Tsy afa-mankeny an-kianjanay akory izahay. Manakaiky ny fiafaranay, tapitra ny andronay; eny, migadona ny fiafaranay.
Halefako hamely anareo ny bibidia, ka hamono ny zanakareo sy handringana ny biby fiompinareo; ary hahavitsy isa anareo ireny ka ho tonga taniefitra ny lalambenareo.
Koa, noho ny aminareo, i Tsiôna dia hasaina toy ny tanimboly; i Jerosalema ho tonga korotam-bato; ary ny tendrombohitra misy ilay tempoly ho rakotry ny kirihitra ala.
Ary i Samgary, zanakalahin’i Hanata, no nandimby an’i Ehoda. Nahafaty ny Filistinina eninjato lahy tamin’ny fanindronan’omby izy, ka nanafaka ny Israelita ihany koa.
Tsy nisy lehibe intsony, tsy nisy lehibe intsony teto amin’i Israely, mandra-pisehoko izaho Debôrà ho toy ny reny teto amin’i Israely.