Mpitsara 5:5 - DIEM PROTESTANTA ny tendrombohitra niempo teo anatrehanao, ry TOMPO niseho tany Sinay; ny tendrombohitra niempo teo anatrehanao, ry TOMPO Andriamanitr’i Israely. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ny tendrombohitra dia nikorian-drano teo anatrehan’NY TOMPO. Eny, irỳ Sinay irỳ, teo anatrehan’NY TOMPO, Andriamanitry ny Israely. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara ny tendrombohitra niempo teo anatrehanao, ry TOMPO niseho tany Sinay; ny tendrombohitra niempo teo anatrehanao, ry TOMPO Andriamanitr’i Israely. Baiboly Katolika Nihozongozona teo anatrehan’i Iaveh ny tendrombohitra, dia io Sinaia io teo anatrehan’i Iaveh Andriamanitr’i Israely. Baiboly Protestanta Malagasy Ny tendrombohitra niempo teo anatrehan’i Jehovah. Eny, na dia irỳ Sinay irỳ aza teo anatrehan’i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely. Malagasy Bible Ny tendrombohitra niempo teo anatrehan'i Jehovah. Eny, na dia iry Sinay iry aza teo anatrehan'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely. La Bible en Malgache Ny tendrombohitra dia nikorian-drano teo anatrehan’NY TOMPO. Eny, irỳ Sinay irỳ, teo anatrehan’NY TOMPO, Andriamanitry ny Israely. |
ny tendrombohitra niantsambotra toa ondrilahy ary ny havoana nitsambikina toa zanakosy.
Andriamanitra ô, fony Ianao niainga mba hialoha ny vahoakanao ka namakivaky izany taniefitra, Fiatoana
dia nihovotrovotra ny tany, nanorana koa ny habakabaka teo anoloanao, ry Andriamanitr’i Sinay, teo anoloanao, ry Andriamanitr’i Israely.
Nidona-tsetroka ny tendrombohitra Sinay satria tanaty afo no nidinan’ny TOMPO nankeo amboniny; ary ny setroka dia niakatra toy ny avy ao amin’ny lafaoro lehibe ka nihovitrovitra ny tendrombohitra manontolo.
Samy nandre ny kotro-baratra sy ny feon’ny anjomara ny Israelita rehetra ary samy nahita ny tsela-baratra sy ny tendrombohitra nidona-tsetroka, hany ka nangovitra noho ny tahotra ary nihataka teny lavitra teny.
Efa ela izahay no vahoaka tsy nofehezinao sady tsy niantsoana ny anaranao intsony! Enga anie hotriarinao ny lanitra mba hidinanao, ka hihorohoro eo anatrehanao ny tendrombohitra!
Mihovitrovitra eo anoloany ny tendrombohitra, ary mihotsaka koa ny havoana; mihorohoro eo anatrehany ny tany, izao tontolo izao sy ny mponina ao aminy.
Nahita Anao ny tendrombohitra ka tora-kovitra; mandrotsaka orambe ny rahona, mirohondrohona ny ranomasimbe ka manainga onja hatreny amin’ny lanitra.
Tsy mba tendrombohitra azo tsapain-tanana toy ny an’ny vahoaka Israely tsy akory no efa nohatoninareo, dia ny tendrombohitra Sinay mirehitra afo, rakotra haizina sy rahona mainty, ombàn’orambaratra