–Tsy miaraka aminareo ve ny TOMPO Andriamanitra? Nomeny fandriampahalemana eo amin’ny manodidina rehetra ianareo, nony natolony ho ambany fifehezako ny mponina taloha tamin’ity tany efa resy teo anoloan’ny TOMPO sy teo anoloan’ny vahoakany ity.
Mpitsara 4:23 - DIEM PROTESTANTA Tamin’izany andro izany no naetrin’Andriamanitra teo anatrehan’ny Israelita i Jabîna mpanjaka kanahanita. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Naetrin’Andriamanitra teo anoloan’ny Zanak’Israely i Jabina, mpanjakan’i Kanana, tamin’izany andro izany. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Tamin’izany andro izany no naetrin’Andriamanitra teo anatrehan’ny Israelita i Jabîna mpanjaka kanahanita. Baiboly Katolika Tamin’izany andro izany no nanetren’Andriamanitra an’i Jabìna mpanjakan’i Kanaana, teo anoloan’ny zanak’i Israely. Baiboly Protestanta Malagasy Dia naetrin’Andriamanitra teo anoloan’ ny Zanak’Isiraely tamin’izany andro izany Jabina, mpanjakan’i Kanana. Malagasy Bible Dia naetrin'Andriamanitra teo anoloan'ny Zanak'Isiraely tamin'izany andro izany Jabina, mpanjakan'i Kanana. La Bible en Malgache Naetrin’Andriamanitra teo anoloan’ny Zanak’Israely i Jabina, mpanjakan’i Kanana, tamin’izany andro izany. |
–Tsy miaraka aminareo ve ny TOMPO Andriamanitra? Nomeny fandriampahalemana eo amin’ny manodidina rehetra ianareo, nony natolony ho ambany fifehezako ny mponina taloha tamin’ity tany efa resy teo anoloan’ny TOMPO sy teo anoloan’ny vahoakany ity.
Dia niditra ny taranany haka ny tany ho fananany, ary naetrinao teo anoloany ny Kanahanîta tompon-tany ka natolotrao ho eo an-tanany. Dia nataony araka izay nitiavany azy ny mpanjaka sy ny vahoakan’izany tany izany.
fa ny TOMPO no avo indrindra ka mahatahotra, Mpanjaka lehibe amin’ny tany tontolo Izy.
Ary rehefa nampaneken’Andriamanitra an’i Kristy ny zavatra rehetra, na Izy Zanaka ihany koa aza dia hanaiky an’Andriamanitra Izay nampanaiky Azy ny zavatra rehetra; hany ka ho zavatra rehetra amin’ny olona rehetra Andriamanitra.
Noho ny finoana dia nandresy fanjakana maro ireo, sy nampihatra ny rariny ka nahazo izay nampanantenain’Andriamanitra; nanakombona ny vavan’ny liona ireo,
Tamin’izay no tonga i Baràka izay nanenjika an’i Siserà; koa niainga hitsena azy i Jahela ary nanao taminy hoe: –Avia, fa hasehoko anao ilay lehilahy tadiavinao. Dia niditra tao an-dainy izy, ka nahita an’i Siserà efa maty mitsitra eo amin’ny tany sady gorobaky ny tsimaday ny fihirifany.