Mpitsara 4:21 - DIEM PROTESTANTA Ary efa sasatra loatra i Siserà ka renoky ny torimaso. Dia naka tsimaday i Jahela, vadin’i Hebera, sady nandray tantanana ka nanatona moramora an’i Siserà. Ary natsatony teo amin’ny fihirifany ny tsimaday ka niboroaka hatramin’ny tany, dia maty i Siserà. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Dia naka tsatòkan-day i Jaela, vadin’i Hebera, sady nitondra tantanana teny an-tanany ka nitsaitsaika nankeo aminy; dia natsatony tamin’ny fihirifany ny tsatòkan-day ka nihatra tamin’ny tany; fa renoky ny torimaso noho ny hasasarana i Sisera dia maty. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ary efa sasatra loatra i Siserà ka renoky ny torimaso. Dia naka tsimaday i Jahela, vadin’i Hebera, sady nandray tantanana ka nanatona moramora an’i Siserà. Ary natsatony teo amin’ny fihirifany ny tsimaday ka niboroaka hatramin’ny tany, dia maty i Siserà. Baiboly Katolika Fa nalain’i Jahela vadin’i Habera kosa ny tsima-day, nataony an-tanana ny tantanana, ary nitsaitsaika nanatona azy izy, dia natsatony tamin’ny fihirifany ny tsimatra, ka tafagorobaka tamin’ny tany, fa renoky ny torimaso izy azon’ny hasasarana mafy; dia maty izy. Baiboly Protestanta Malagasy Dia naka tsima-day Jaela, vadin’i Hebera, sady nitondra tantanana teny an-tànany ka nitsaitsaika nankeo aminy; dia natsatony tamin’ny fihirifany ny tsima-day, ka nihatra tamin’ny tany–fa efa renoky ny torimaso Sisera, satria sasatra–ka dia maty izy. Malagasy Bible Dia naka tsima-day Jaela, vadin'i Hebera, sady nitondra tantanana teny an-tànany ka nitsaitsaika nankeo aminy; dia natsatony tamin'ny fihirifany ny tsima-day, ka nihatra tamin'ny tany fa efa renoky ny torimaso Sisera, satria sasatra ka dia maty izy. La Bible en Malgache Dia naka tsatòkan-day i Jaela, vadin’i Hebera, sady nitondra tantanana teny an-tanany ka nitsaitsaika nankeo aminy; dia natsatony tamin’ny fihirifany ny tsatòkan-day ka nihatra tamin’ny tany; fa renoky ny torimaso noho ny hasasarana i Sisera dia maty. |
Fa izao no ambaran’ny Soratra Masina: «Hofoanako ny fahendren’ny hendry, holaviko ny fahaizan’ny mahay.»
Kanefa izay noheverin’izao tontolo izao ho adala no voafidin’Andriamanitra hampahamenatra ny hendry; izay noheverin’izao tontolo izao ho osa no voafidin’Andriamanitra hampahamenatra ny matanjaka;
Nahita valanoranom-boriky iray vao novonoina i Samsôna; ary noraisiny izany ka namonoany ho faty arivo lahy tamin’ny Filistinina.
Ary nalain’i Ehoda tamin’ny tanany havia ilay sabatra nanolotra ny feny ankavanana, ka natsatony tamin’ny kibon’i Heglôna.
Ary i Samgary, zanakalahin’i Hanata, no nandimby an’i Ehoda. Nahafaty ny Filistinina eninjato lahy tamin’ny fanindronan’omby izy, ka nanafaka ny Israelita ihany koa.
Ary hoy koa i Siserà taminy: –Mijanòna eo am-baravaran’ny tranolay; ka raha misy manontany anao hoe: «Misy olona ve ato?», dia valio hoe: «Tsia».
Tamin’izay no tonga i Baràka izay nanenjika an’i Siserà; koa niainga hitsena azy i Jahela ary nanao taminy hoe: –Avia, fa hasehoko anao ilay lehilahy tadiavinao. Dia niditra tao an-dainy izy, ka nahita an’i Siserà efa maty mitsitra eo amin’ny tany sady gorobaky ny tsimaday ny fihirifany.
Ka hoy i Debôrà taminy: –Handeha hiaraka aminao aho, saingy tsy hisy voninahitra ho anao izao dia halehanao izao, satria ho eo an-tanam-behivavy no hanoloran’ny TOMPO an’i Siserà. Dia nandeha ho any Kedesa niaraka tamin’i Baràka i Debôrà.
Ary hoy i Gôliata tamin’i Davida: –Alika angaha aho no hatonin’ialahy amin’ny tehina? Ho voaozona anie ialahy amin’ny alalan’ireo andriamanitray!