Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Mpitsara 4:20 - DIEM PROTESTANTA

20 Ary hoy koa i Siserà taminy: –Mijanòna eo am-baravaran’ny tranolay; ka raha misy manontany anao hoe: «Misy olona ve ato?», dia valio hoe: «Tsia».

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

20 Hoy indray izy taminy: Mitsangàna eo am-baravaran’ny tranolay ka raha toa ka misy avy ary manontany anao hoe: Misy olona va ato? Dia ataovy hoe: Tsia.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

20 Ary hoy koa i Siserà taminy: –Mijanòna eo am-baravaran’ny tranolay; ka raha misy manontany anao hoe: «Misy olona ve ato?», dia valio hoe: «Tsia».

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

20 Hoy ralehilahy taminy: «Mitoera eo am-baravaran’ny lay ianao, ka raha misy olona tonga manontany anao manao hoe: Misy lehilahy va ato? dia valio hoe: Tsia».

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

20 Dia hoy izy taminy: Mitsangàna eo ambaravaran’ny lay, ka raha tàhiny misy avy ka manontany anao hoe: Misy olona va ato? dia ataovy hoe: Tsia.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

20 Dia hoy izy taminy: Mitsangàna eo am-baravaran'ny lay, ka raha tàhiny misy avy ka manontany anao hoe: Misy olona va ato? dia ataovy hoe: Tsia.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

20 Hoy indray izy taminy: Mitsangàna eo am-baravaran’ny tranolay ka raha toa ka misy avy ary manontany anao hoe: Misy olona va ato? Dia ataovy hoe: Tsia.

Jereo ny toko dika mitovy




Mpitsara 4:20
4 Rohy Ifampitohizana  

Ary niditra tao an-tranon’ilay ramatoa ny mpanompon’i Absalôma ka nanao hoe: –Aiza i Ahimahatsa sy i Jônatàna? Dia hoy ny navalin’ilay vehivavy taminy: –Nita ny rano izy ireo. Rehefa nitady ihany ireto mpanompon’i Absalôma ka tsy nahita, dia niverina nankany Jerosalema.


Ary hoy izy tamin-dravehivavy: –Mba omeo rano kely aho hosotroiko fa mangetaheta! Dia nanokatra ny siny hoditra misy ronono i Jahela ka nampisotro azy; avy teo i Siserà dia norakofany bodofotsy indray.


Ary efa sasatra loatra i Siserà ka renoky ny torimaso. Dia naka tsimaday i Jahela, vadin’i Hebera, sady nandray tantanana ka nanatona moramora an’i Siserà. Ary natsatony teo amin’ny fihirifany ny tsimaday ka niboroaka hatramin’ny tany, dia maty i Siserà.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra