Ataon’ny Tompo rakotra henatra ny mpifehy ka mirenireny an-tany foana tsy misy lalana;
Mpitsara 4:17 - DIEM PROTESTANTA I Siserà dia nandositra an-tongotra hatrany amin’ny lain’i Jahela izay vadin’i Hebera lehilahy kenita, satria nihavana ny fianakavian’i Hebera sy i Jabîna mpanjakan’i Hatsôra. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary i Sisera dia nandositra an-tongotra ho any amin’ny tranolain’i Jaela, vadin’i Hebera kenita; nihavana mantsy i Jabina, mpanjakan’i Hazora, sy ny mpianakavin’i Hebera kenita. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara I Siserà dia nandositra an-tongotra hatrany amin’ny lain’i Jahela izay vadin’i Hebera lehilahy kenita, satria nihavana ny fianakavian’i Hebera sy i Jabîna mpanjakan’i Hatsôra. Baiboly Katolika I Sisarà dia nandositra an-tongotra ho ao amin’ny lain’i Jahela vadin’i Hebera Kineanina; fa nihavana i Jabìna mpanjakan’i Asôra sy ny fianakavian’i Hebera Kineanina. Baiboly Protestanta Malagasy Ary Sisera nandositra nandeha tongotra ho any amin’ny lain’i Jaela, vadin’i Hebera Kenita; fa nihavana Jabina, mpanjakan’i Hazora, sy ny mpianakavin’i Hebera Kenita. Malagasy Bible Ary Sisera nandositra nandeha tongotra ho any amin'ny lain'i Jaela, vadin'i Hebera Kenita; fa nihavana Jabina, mpanjakan'i Hazora, sy ny mpianakavin'i Hebera Kenita. La Bible en Malgache Ary i Sisera dia nandositra an-tongotra ho any amin’ny tranolain’i Jaela, vadin’i Hebera kenita; nihavana mantsy i Jabina, mpanjakan’i Hazora, sy ny mpianakavin’i Hebera kenita. |
Ataon’ny Tompo rakotra henatra ny mpifehy ka mirenireny an-tany foana tsy misy lalana;
Amin’izany andro izany, na ny mahery fo indrindra amin’ireo miaramila voafantina aza dia hanary fiadiana ka handositra. Teny hentitra avy amiko TOMPO izany.»
Nanenjika ireo kalesy sy ny andian-tafiky ny fahavalony hatrany Harôseta-Gôima i Baràka; dia naringany tamin’ny sabatra avokoa ny miaramilan’i Siserà ka tsy nisy niangana na iray aza.
Ary niainga i Jahela mba hitsena an’i Siserà ka nanao taminy hoe: –Midira, tompoko, midira ato amiko fa aza matahotra! Dia niditra tao an-dainy izy ka norakofany bodofotsy.
Hotahîna mihoatra noho ny vehivavy rehetra kosa anie i Jahela izay vadin’i Hebera lehilahy kenita! Eny, hotahîna mihoatra noho ny vehivavy rehetra izay mitoetra an-day anie izy!
Tamin’ny andron’i Samgary zanakalahin’i Hanata sy tamin’ny andron’i Jahela dia nidify ity faritra ity ny andian’ireo mpitaingin-drameva; fa nanaraka lalan-kafa ireo mpandeha.