Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Mpitsara 4:16 - DIEM PROTESTANTA

Nanenjika ireo kalesy sy ny andian-tafiky ny fahavalony hatrany Harôseta-Gôima i Baràka; dia naringany tamin’ny sabatra avokoa ny miaramilan’i Siserà ka tsy nisy niangana na iray aza.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Ary i Baraka dia nanenjika ny kalesy sy ny miaramila hatrany Haroseta-Goima; dia lavon’ny lelan-tsabatra avokoa ny miaramilan’i Sisera rehetra; tsy nisy niangana na dia iray akory aza.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Nanenjika ireo kalesy sy ny andian-tafiky ny fahavalony hatrany Harôseta-Gôima i Baràka; dia naringany tamin’ny sabatra avokoa ny miaramilan’i Siserà ka tsy nisy niangana na iray aza.

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

Nenjehin’i Baràka hatrany Harôseta-Gôïma, ny kalesin’ny tafika ka lavony tamin’ny lelan-tsabatra avokoa ny tafik’i Sisarà rehetra, fa tsy nisy niangana na dia lehilahy iray aza.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary Baraka nanenjika nanaraka ny kalesy sy ny miaramila hatrany Haroseta; dia lavon’ny lelan-tsabatra avokoa ny miaramilan’i Sisera rehetra; tsy nisy niangana na dia iray akory aza.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary Baraka nanenjika nanaraka ny kalesy sy ny miaramila hatrany Haroseta; dia lavon'ny lelan-tsabatra avokoa ny miaramilan'i Sisera rehetra; tsy nisy niangana na dia iray akory aza.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Ary i Baraka dia nanenjika ny kalesy sy ny miaramila hatrany Haroseta-Goima; dia lavon’ny lelan-tsabatra avokoa ny miaramilan’i Sisera rehetra; tsy nisy niangana na dia iray akory aza.

Jereo ny toko



Mpitsara 4:16
13 Rohy Ifampitohizana  

Ho fongotra amin’ny tany kosa anie ny mpanota, ary tsy hisy intsony ny olon-dratsy! Eny, aoka hisaotra ny TOMPO aho! Haleloià.


Andriamanitra ô, ataovy tahaka an’i Siserà ireo, ataovy tahaka an’i Siserà sy i Jabîna teo amin’ny renirano Kisôna, na ataovy tahaka ny Midianita


nikambana taminy koa ny Asirianina mba hifarimbona amin’ny taranak’i Lôta. Fiatoana


Nikatona ny ranomasina ka nandrakotra ny kalesy sy ny mpitaingin-tsoavaly; izay tafiky ny Farao manontolo nanenjika ny Israelita tao an-dranomasina dia tsy nisy afa-nitsoaka na iray aza.


Ilay nampamoaka ny kalesy sy ny soavaly ary ny miaramila sy ny andian-tafika mahery, dia indray lavo ireo ka tsy tafarina intsony, sempotra ka maty toy ny lahin-jiro milofika; eny, izao no lazain’ny TOMPO ankehitriny:


Izay rehetra manota ka tsy manana ny lalànan’i Mosesy, dia ho very saingy tsy noho io lalàna io; fa izay rehetra manota nefa manana ny lalànan’i Mosesy, dia hohelohina araka io lalàna io.


satria fitsarana tsy misy indrafo no hataon’Andriamanitra amin’izay tsy namindra fo; ny famindrampo kosa afa-mirehareha tsy matahotra ny fitsarana.


Nakorontan’ny TOMPO teo anoloan’ny Israelita ny Amôrita, ka voan’ny faharesena lehibe teo akaikin’i Gibehôna. Dia nenjehin’ny Israelita teny am-piakarana ho any Bety-Hôrôna ireo, ka nasiany hatrany Hazekà sy hatrany Makedà.


Natolotry ny TOMPO teo an-tanan’ny Israelita ireo ka resiny, nenjehiny nianavaratra hatrany Sidôna tanàn-dehibe sy hatrany Misrefôta-Maîma ary hatrany amin’ny lohasahan’i Mitsepà any atsinanana. Nasian’ny Israelita ireo ka tsy nisy niangana.


I Siserà dia nandositra an-tongotra hatrany amin’ny lain’i Jahela izay vadin’i Hebera lehilahy kenita, satria nihavana ny fianakavian’i Hebera sy i Jabîna mpanjakan’i Hatsôra.


Koa natolotry ny TOMPO izy ho eo ambany fifehezan’i Jabîna, mpanjaka kanahanita, izay nanjaka tao Hatsôra. I Siserà, izay nonina tao Harôseta-Gôima, no lehiben’ny tafiny.